Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Commémoration 1947. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Commémoration 1947. Afficher tous les articles

mardi 21 juin 2016

O! Ry Fireneko (Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA)

Isaorana ny Antoko Mpihira NY TSANTAN'IMAHAMASINA (NTI) nanome alalana ny fizaràna ny hira sy ny solfa ato anatin'ny blog . Voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!






Tonony sy Feony: NDRATOSON Georges Benjamin
Arrangement: RAKOTOARIMALALA Maminirina RajaonaRIVOny

O ! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia variana ô)
O ! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia sondriana ô)
Misy feo manaitra (anao ankehitriny)
Misy feo mitady (anao ry mpivahiny)
ô ô ô, ô ô ô, ô ô ô ry fireneko (ô ô ô)

O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia variana ô)
O ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Aza dia sondriana ô)
Feon’Ilay Nahary namolavola sy Mpamonjy mora

(O, ry fireneko, O, ry fireneko)
 Aza dia ianao no, Aza dia ianao no
 Koa aza dia ianao no tsy hanoina
 Ny antson’ny Tompo (x3)

("O! mandrosoa ianao")"O! mandrosoa" (x2),
Hoy ny Tompo"Fa Izaho ihany (x2)
No homba anao hatrany"

O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Mijanona kely)
O! ry fireneko misy feo miantso ô ô ô (Jesoa no miteny ô) 
Feo manainga indray (hanorim-panekena)
Amin’Ilay Jesosy (lalam-pamonjena)
ô ô ô, ô ô ô, ô ô ô ry fireneko, (ô ô ô )

O ry fireneko,Misy feo miantso ô ô ô (Asa sitrakao)
O ry fireneko, Misy feo miantso ô ô ô (Moa ankafizinao)
Feon’Ilay JESOSY kapiteny soa no hery mampifoha

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

mardi 27 mars 2012

Madagasikara tanindrazanay (Hira faneva MDRM 1947)


A/C: Jacques Emma RAHAMEFY / RAHAMEFISON
1. Madagasikara, Tanindrazanay
Tany sarobidy masina sy soa
Lova soa nomen’ny Razanay taloha
Maty ho anao ny tena lazanay;

Isan’andininy :
Mitsangana ry tanora
Mitsangana aza manana ahihahy
'Zao no andro sady ora
Mijoroa sahia tokoa ho lehilahy.

2. Isika rehetra izao, akanga miara-dia
Tsy azo kotabaina na ravana koa
Ka hitomboan-dahy hiasa re satria
Io no loharano fototry ny soa.

3. Malagasy Ô Handeha hifankatia
Ho mpiralahy tena iray tampo
Ny mifankahala ataovy sanatria
Tena iray tokoa, ny saina sy ny fo.

Tao anaty aizim-pito (Ny sakelidalana)

Ho fahatsiarovana ireo mpitolona maritioran'i Madagasikara 1947.

Fa tao anaty aizim-pito
Nandrenesana antsoantso
Feo nikiaka, nikiaka fahafahana
Injao nanakoako
Ren’ny tany manako eran-danitra ny kotroky ny basy
Nefa tsy kivy, tsy kivy tsy kivy tsy niato
Ireo Malagasy mitolona

Fa tao anaty aizim-pito
Nandrenesana antsoantso
Feo nikiaka, nikiaka fahafahana
Injao nanakoako
Ren’ny tany manako eran-danitra ny kotroky ny basy
Nefa tsy kivy, tsy kivy tsy kivy tsy miato
Ireo Malagasy mitolona

Fa tao anaty aizim-pito
Nisy rà nipatrapatraka
Ny fahafahany mantsy no zahany
Madio mangatsakatsaka
Nefa rà mikoriana namonto itony tany
No setrin’izany
Fa tanam-polo ihany no hany fiadiana
Ny hahatomombana izay notakiany

Fa iry, ery an-danitra ilay masoandro
Efa lasa tara-pahafahana ireo lavo
Efa samy ravo ny fanahin’ireo maritiora mifaly
Ny todin’ny rà niombonana mantsy
Tsy azo takonana intsony


Fa iry, ery an-danitra ilay masoandro
Efa lasa tara-pahafahana ireo lavo
Efa samy ravo ny fanahin’ireo maritiora mifaly
Ny todin’ny rà niombonana mantsy
Tsy azo takonana intsony
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...