Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Josefa Andrianaivoravelona. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Josefa Andrianaivoravelona. Afficher tous les articles

mercredi 29 février 2012

Tsy hita izay androko sisa aty 564

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Tsy hita izay androko sisa aty,
Ahiko fandrao tsy tonga ary,
Ry fanahiko! Ao ny Mpamonjy anao,
He! Jeso, Mparnonjy anao.(in-3)
Ry fanahiko! Ao ny Mpamonjy anao,
He! Jeso Mpamonjy anao.

2. Izaho anefa tamàna aty ;
Tsy hiomana va, fa hifindra ary?
Fa efa fantatro izao, fa havela ity,
He! Lanitra soa ary. (in-3)
Fa efa fantatro izao fa havela ity,
He! Lanitra soa ary.

3. Ilaozy ity, hadinoy, ry fo!
Afoizo izao, ry fanahiko ô!
Fa efa reko ny Tompo
Miantso anao,
He! Feo mahafaly izao. (in-3)
Fa efa reko ny Tompo
Miantso anao,
He! Feo mahafaly izao.
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Ry Jeso ô jereo 410

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Ry Jeso ô! Jereo
'Ndrao maty, Ka vonjeo;
Ry Kristy, Vonivatonay!
Mba raiso izahay.
Mahantra izahay.
Ka ory ny fonay;
Ry Tompo be fiantra ô!
Mba miantrà anay.

2. Mpanavotra ô! Jereo,
'Ndrao very, ka vonjeo;
Ry Kristy, Orimbatonay!
Avoty izahay.
Mpanota izahay,
Maloto ny fonay;
Ry Zanak'Andriamanitra ô!
Vonoy ny otanay.

3. Mpanjaka ô! Jereo
'Ndrao lavo, ka vonjeo;
Ry Kristy, Harambatonay!
Arovy izahay.
Malemy izahay;
Ry Tomponay mahery ô!
Tantano izahay.
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Raiso ho Anao ny foko 443

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jehovah Raiko ô!
Mitoera aty am-poko
Mba ho tompon-trano ao,
:,: O, ry Raiko! O, ry Raiko!
Mitoera ao izao :,:

2. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Jesosy Tompo ô!
Tsy mba vola, fa ny foko,
No atolotro Anao:
:,: Raiso, Tompo! Raiso, Tompo!
Fa fanati-tsitrapo. :,:

3. Raiso ho Anao ny foko,
Ry Fanahy Masina ô!
Hazavao ny ao am-poko,
Diovy ho tempolinao:
:,: Indro, raiso ! Indro, raiso !
Itokany ho Anao. :,:

4. Tsy arindriko ny foko,
Fa vohako ho Anao;
Ka midira aty am-poko,
Manjakà irery ao;
:,: Eny, Tompo! Eny, Tompo!
Raiso aho ho Anao. :,:
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Raha misy mampahory 571

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Raha misy rnampahory,
Indro, Jeso Tomponao;
Tsy afoiny tsy akory,
Aza kivy hianao.
Raha rava ny harena,
Ka ho mafy ny manjo,
Mbola misy famonjena,
Aza mety kivy fo.

Fiv : Raha misy mampahory,
Indro Jeso Tomponao;
Tsy afoiny tsy akory
Aza kivy hianao.

2. Raha misy ady mafy,
Indro Kristy herinao ;
Raha avy ny mpandrafy,
Raiso koa ny sabatrao.
Raha tamy hanangoly
Ilay fahavalonao,
Ka mandrobo ny devoly,
Mba aingao ny vavakao.
Raha misy, sns...

3. Na marary mafy aza
Ka mangirifiry ao,
Ary na ho faty aza
Ka handao ny havanao,
Mbola misy antenaina,
Indro, Jeso avotrao ;
Famonjena avotr'aina,
Indro, raiso ho anao.
Raha misy, sns...
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Raha mangoraka ny fo 375

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Fihirana protestanta (Josefa Andrianaivoravelona)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Raha mangoraka ny fo
Ao ny Ray be indrafo;
He! Antsoiny hianao,
Maa tsy hody va izao?

Fiv : :,: O! modia, O! modia,
Fa miandry Kristy 'zao.:,:

2. Miverena ankehitrio,
Tsy ampitso, fa anio;
Aza mba manary dia,
Fa modia anio, modia
O! modia sns...

3. Izay rehetra maminao
Tsy hahafa-po anao:
Jeso no anjara soa
Hiadananao tokoa,
O! modia sns...

4. Manatòna, matokia,
Mandrosoa, mifalia;
Kristy no fiainanao
Sady voninahitrao
O! modia sns...
Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...