Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Ny Railovy. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Ny Railovy. Afficher tous les articles

mercredi 16 novembre 2011

Veloma namako (Jérôme Randria, Ny Railovy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.


Rahampitso vao maraina dia handao izany lasy
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie
Aza arahina alahelo aho, aza arahina tomany
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie

Satriko aza namako ô, mbola hiaraka hiriaria
Nefa indrisy namako ô, misampana ny dia
Ity ny dimy mba fihino, fa ny lasa aza hadino
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie

Raha miherina ny taona, manantena aho ny mbola hihaona
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie
Rehefa hariva toy izao ka mahatsiaro ahy hianareo
Miaraha manandra-peo, kaloy izao hirako izao
La - la - la - la .......
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie

Raha maty an-dàlana any aho
Andefaso voninkazo
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie
Rehefa hariva toy izao ka mahatsiaro ahy hianareo
Miaraha manandra-peo, kaloy izao hirako izao
La - la - la - la .......
Veloma namako ô, Salut ! la compagnie

Tao anaty fahanginana, manirery(Jérôme Randria)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.


Tao anaty fahanginana
No nihirako ho anao
Ireo hirahira sy ny kalokalo
    Tsara indrindra.
Tao anaty fahanginana
    no nahatsapako
Ny akon'ny fitiavako
            Tia anao
Mirehitra, tsy mety maty
Ao am-po .. ho anao

    Toy ny sambokely
An-dranomasina mangeniheny
    Tsy matahotra onja,
       na manahy...
      Sao dia ho very eny
       Manantena ihany
   Ny ho tody hatrany
      Hahita seranana
Toy izany no vetsovetsom-poko
    Singany ety, ho anao.

Na dia manirery aza aho
    Ry sombinaiko
Tsy miova akory ny fitia
      Zay nolalaiko
Na ho aingana, na ho ela izany
Eny tia anao, eny tia ...ka...

Raha toa manembona ianao
Ka mahatsiarotsiaro
Ireo dinantsika, ireo fitia
Ireo tsiambaratelo maro
          dia izany no
vao maika hamelona hatrany
    ny afon'ny fititavako
             tia anao
Mirehitra tsy mety maty
Ao am-po ... ho anao ... ho anao

Ho haiko ve?(Jérôme Randria)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.

Ho haiko ve?
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanadino anao?
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nampoiziko mihitsy ny hifampitantana aminao
Tsy noheveriko fa misy fitiavana efa anjaranao

Ho haiko ve?
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanao veloma anao?
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nosainiko mihitsy ny hisaraka aminao
Eny hay va re ka misy, misy fetra taminao

Jembin-dranomaso aho nahita anao
Nahita anao sy iny olona iny teo anilanao
Saika hitraotra hiantsoantso hoe "tsy rariny"
Nefa tsapako fa hadalàna no ho valiny


Ho haiko ve?
Ho haiko, tsy lazaiko, ny hanadino anao?
Tsapako fa mafy, mafy sombinaiko
Nefa iniako mba hatao
Tsy nampoiziko mihitsy ny hifampitantana aminao
Eny hay va re ka misy, misy fetra taminao

Rakoto matilo(Jérôme Randria, Railovy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.

Takona tsy tazana any ambadik'any ho any ilay tanànako
Ho saraka tsy hita anoloana ny tavako ireo havako
Hofan-tànan'olon-tiana, kopakopaka mosara no nilaozako
Morontsiraka mafana, tora-pasika mandoro no vantaniko

Any an-dranomasina any ambany lanitra mangina no honenako
Alin-kitana amam-bolana sy rivotra madio nomba làlako
Eny an-tokontanin-tsambo miaraka amin'ny gitara no hiràko
Ireo hira izay fikaloko, ny hirahirantsika tena mamiko

Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin'ny fo
Veloma mandra-pihaona, tsy hanadino anao Rakoto matilo
Là là là ....

Raha sendra embonembona any ho any ka voatonona ny anarako
Dia tsarovy fa manjohy anareo any koa ny eritreritro
Ireo sarin'ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana no fandrianako
Isan'andro vao mifoha, na alina hatory, ho voajeriko

Eny taona maro angamba, any volana tsy voafetra hiverenako
K'aza malahelo foana fa antenaiko hisy fihaonana ny anjarako
Amin'izay fotoana izay hifampiatoraka isika hifamihina
Ho eo imolotro indray ireny teny mamintsika fahizay

Ilazako dada sy neny(Jérôme Randria, Ny Railovy)


Ny foko tia, tia ho doria,
Vonona ho anao
Hiara-dia, hiombom-pitia aminao

Ka n'inoninona hidona
Anilanao ny ny fo mifangia
Ka n'inoninona hihatra
Ho tia anao, ho anao doria

Dia hilazako dada sy neny
Amin'zao dinik'izao
Nefa atao ahoana no fiteny
'zao faniriantsik'izao.

 Bodo, mba hivavaho
 Ho tanteraka anie
'zao faniriantsika izao
Ffa lalan-tsarotra, eny mantsy no aleha

Neny niteny fa hoe:
Ny fitia tsy lalao
 Ka hisangina
Amin'izao fianinana izao
Fa rehefa tia ao am-po
Dia tiana dia tiana tokoa.
Misoratra, misarom-boaly,
'zay vao miara-droa

Dia hilazako...sns
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...