Namana/Amis/Friends

Affichage des articles dont le libellé est Variété. Afficher tous les articles
Affichage des articles dont le libellé est Variété. Afficher tous les articles

lundi 19 août 2024

Tango tany an'ala (Jeneraly)

 Izao hira izao no entiko hanambara etoana
Ilay fotoana tsy hay hadinoina
Fotoana izay niarahantsika tany an’ala
Fa teny indrindra isika roa no nifanadala


Nioty voninkazo ery amoron-kady
Toa mpanambady andro alahady
Nitangotango foana teny dia nandihy
Nandihy tango teny amorom-parihy

Ireo siokam-boronkely
Izay re teny lavitr'eny
Ireny no mozika izay nandihizantsika
Nakimpiko ny masoko, nangovitra ny molotro
Saika hilaza zavatra, kanefa tena vahotra

Fa vetivety teo injay nisy feo

Toa feon’angorodao, hay va re ka feonao
Nibitsika mangina, nitady ny hatoriana
Fa vizambizana ka hiala sasatra

Velarinao teo amin’ny tany ny lambahoany
Tsara aok’izany, toa anao ihany
Dia teo indray isika roa no nandihy
Fa nangatsiaka ery amoron’ilay farihy

Nihanalefaka ny feon’ny mozika
Nandihizantsika tsisy nahita
Tsy nisy koa moa nahare izany hira izany
Afa-tsy izaho sy ianao irery ihany

Tsy nahalala nody fa tsara fanafody
Ka tany an’ala tany no saika hanorina akany
Ny lanitra no tafo, fitia re no sakafo
Raha vitan’izany moa maninona tokoa ?

Indrisy rediredy, ianao ve tsy ho bedy ?

Kanefa azo atao raha manaiky  mamanao
Lazao azy mangina ny tena fifaliana
Fa any an’ala any no ahitana an’izany.

Dia izay!

Kila sady may (Lalao Rabeson) Accord (Parlez-moi de lui, Françoise Hardy) (The way of love Kathy Kirby)

Bb/F        F6            Bb/F          F           F6

Vao nahita ianao  endrika iray
             BbM7            Am7b5      D7b9
Tena sitrakao
ho mandrakizay
          G7                     C7
Dia nitia ianao  
 kila sady may
        Cm7       D7      Gm          Bb/F

Nefa izao ianao     toa mangaihay
             Em7b5  A7              C7       F7


Nitomany ianao
endrika iray
          BbM7               
Am7b5    D7

Lasa sy nandao niova lasy indray
          G7                     C7
Tsisy azo atao
       kila sady may
         Cm7       EbM7      Dm7        G7
Ny fitiavanao
   may mandrakizay
        Cm7     F7                   BbM7

Cm Bb Eb6

Vao nahita ianao        endrika iray
            EbM7     Dm7b5    G7      C7
Tena sitrakao
ho mandrakizay
          C7                      F6
Dia nitia ianao  
 kila sady may
          Fm        Bb      Cm         Eb/Bb

Nefa izao ianao  toa mangaihay
             D7/A  D7                        Fm6

Cm Bb Eb6

Nitomany ianao
       endrika iray
          Eb          Dm7b5      G7     C7
Lasa sy nandao niova lasy indray

          C7                      F6
Tsisy azo atao
       kila sady may
         Fm         AbM7      Gm7b5        C7
Ny fitiavanao
   may mandrakizay
         Fm       Bb                 EbM7     Ab/Eb
Kila sady may
        Bb7              Ab/Eb

…………Ianao
EM7
Eb     C#/D#     Eb     
C#/D#     Eb

mercredi 27 septembre 2023

Sombinaiko, Aza manadino (Odéam RAKOTO)

Sombinaiko sombinaiko; ho tanteraka ve?

Raha toa aho ka lasana ka manafatra hoe

"Aza manadino ahy na dia efa maty aza

Fa ny lalantsika ihany no tohizo sy araho"


"Aza manadino ahy na dia efa dify aza

Ka tsy ho hita insony ilay sakaiza fahazaza

Tsy ho aiza akory f’hialoha lalana

 Hanamboatra paradisa sy lapa ho vantaninao"


"Aza manadino ahy n’aiza n’aiza misy anao

Zaho anie raha lasana aza;

Sanatria dia tsy mandao "

"Tsy hamela anao hanjeny irery

Raha mbola eto ety antany

Satria mantsy ny aveloko

Dia manaraka eny ihany"


Sombinaiko sombinaiko; ho tanteraka ve?

Raha toa aho ka lasana ka manafatra hoe

"Aza manadino ahy na dia efa maty aza

Fa ny lalantsika ihany no tohizo sy araho"

"Aza manadino ahy n’aiza n’aiza misy anao

Zaho anie raha lasana aza;

Sanatria dia tsy mandao "

mardi 19 juin 2012

Nofy version originale (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.


Nanonofy anao aho tamin’ izay
Nitsingevana hono ianao
Rahona no hipetrahanao
Ny kintana no sambofiaranao

Nanonofy ano aho tamin’izay
Tànana no natolotrao
Hnadray ahy ho eny aminao
Ny kintana taontsika kilalao...

Avia aty hoy ianao
Ho ety ambony kintana
Fa ety no omeko anao
Omeko anao izao tontolo izao...

Mifohaza an'izay ianao
F'efa ity anilanao ity aho
Izany no noteneninao
Nitsiky aho raha mba teto mantsy ianao

Avia aty hoy ianao
Ho ety ambony kintana
Fa ety no omeko anao
Omeko anao izao tontolo izao...

Dia nifoha amin’izay ary aho
Niandrandra aho nitazana anao
Hay nanonofy anao fotsiny aho
Nitsiky kely...
Raha mba teo mantsy ianao...

Masoandron'ny fitia (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Dia nirotsaka tsy satry ny tomany
Dona-tsetroka mijofo any ho any
No milaza f'efa lao ka handao ahy ianao
Hikopak'elatra any an-danitra vaovao

Alin-kisa mitsilopy manjopiaka
Mitanisa izany nofy niainantsika
Mampanembonembona amin'ny andron'ny tsiahy
Mampangolika fo sy fanahy

Taitra teo fa nandre feonao mihomehy
Reko mamiravira fo voarotsi-na hira
Hasambara-baovao, ho rivo-baovao
Andro tsaran'ny maraina ny anao

Fa ny ahy hovonoiko ny tsiahy
Hosoloiko hirahira aty am-panahy
F'efa iry mipoitra iry ilay masoandron'ny fitia
Manafana izany foko mba minia


Taitra teo fa nandre feonao mihomehy
Reko mamiravira fo voarotsi-na hira
Hasambara-baovao, ho rivo-baovao
Andro tsaran'ny maraina ny anao

Fa ny ahy hovonoiko ny tsiahy
Hosoloiko hirahira aty am-panahy
F'efa iry mipoitra iry ilay masoandron'ny fitia
Manafana izany foko mba minia

Tia (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Raha maizina ny andronao
Mila tanana hanarina ianao
Izay mijery hihomehy anao
Na hihodina tsy hahita izao

Raha mahatsiaro irery ianao
Fa nilaozan’ireo namanao
Raha manavaka anao izy ireo
Izay nilany anao vita hatreo

Fantatrao ihany
Iray eto an-tany no tsy toy iznay
Raha vao miantso ianao
Hanatona aho
Hanolotra fo...

Tia anao...tena tia anao...
Tena tia , tena tia anao...

Rehefa maizina maizina ny andronao
Mila tanana hanarina ianao
Izay mijery hihomehy anao
Na hihodina tsy hahita izao

Raha mahatsiaro irery ianao
Fa nilaozan’ireo namanao
Raha manavaka anao izy ireo
Izay nilany anao vita hatreo

Fantatrao ihany
Iray eto an-tany no tsy toy iznay
Raha vao miantso ianao
Hanatona aho
Hanolotra fo...

Tia anao...tena tia anao...
Tena tia , tena tia anao...
Oh tena tia anao
Tena tia , tena tia anao...
Oh tena tia anao
...

Ho an'iza ny masoandro? (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Misy feo manontany nivoaka tamin'ny vava maro:
"Hoan'iza ny masoandro?"
Fa toa haizina hatrany fahoriana mifangaro
No hiainana isan'andro
Rofiroy, hanoanana, ranomaso, fahantrana...
Tsy ho antsika anamba ny masoandro

Izaho sy ianao, tsy natao hifoha mba hitaraina
Nomena ahy sy ianao, tanana sy loha afaka ampiasaina

Sento lava tsy hahamaivana ny entanao
Ranomaso, tsy ahafaka ny fahorianao,
Ny masoandro hitondra hafanana
Ho an’izay mahay mandray azy…
Manantenà fa hisava ny lanitra


Sento lava tsy hahamaivana ny entanao
Ranomaso, tsy ahafaka ny fahorianao,
Ny masoandro hitondra hazavana
Ho an’izay mahay mandray azy…

Ho an’izay mahay mandray azy…
Manantenà… Mbola ho avy ny maraina…

Manantenà..., mihirà...

Feom-baliha (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.


Lasalasa ambiroa,mitazana azy roa
Ravom-pitiavana,feno hasambarana
Tsaroako ny taloha,tsaroako isika roa
Nikasa hiara-dia,nikasa ho doria

Injay feom-baliha,toa manakora
Injay fitia,manainga moramora

Iray sento aminao, ny fiainanm-baovao
Ny nofy mihelina, sary miserana
Ny feon-kira iray, ventsoinao fahizay
Mamohafoha tsiahy,mamelombelona ahy

Injay feom-baliha,toa manakora
Injay fitia,manainga moramora


Ny feon-kira iray, ventsoinao fahizay
Mamohafoha tsiahy,mamelombelona ahy
Injay feom-baliha!

Avelao (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Aza lany andro miteny ahy
Izaho tsy miova fa tia azy
Fa sao lazainao vazivazy
Tsy anio ihany fa ho doria
Hoy ianao :" izy anie maditra
Toa tsy misaina anao akory
Ny alina izy tsy matory
Fa dia milalao fitia"

Avelao aho sy ny fitiavako hiara ho faty
Fa na marina aza izay lazainao
Tsy maninona f’aleoko ihany miaritra
Anaty fitiavana lalina ka avelao


Aza tantarainao ny adalany
Ny toetrany tsy tantinao
Tsy mampaninona ahy izany
Tiako izy ampy izay



Avelao aho sy ny fitiavako hiara ho faty
Fa na marina aza izay lazainao
Tsy maninona f’aleoko ihany miaritra
Anaty fitiavana lalina ka avelao

Avelao any ny taloha (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Avelao any
Avelao any ny taloha
Adinoy any
Adinoy any tsy hifoha
Raha ny lasa ô
Raha ny lasa no nania
Ao ny ampitso
Ao ny ampitso mirana

Ho ela ihany izany mbola hiainana
Ho lava ihany ny lalana ho diavina
Omeo ahy ny tananao
Avy tantano aho

Mety ho mafy
Mafy ny ady piainana
Tsy maintsy misy
Misy ny andro mierika
Na izany aza
Avelao any ny taloha
Na izany aza
Adinoy any tsy hifoha

Ho ela ihany izany mbola hihainana
Ho lava ihany ny lalana ho diavina
Omeo ahy ny tananao
Avy tantano ahy
La la la la...

Amoron-drano (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Eny amoron-drano eny
Zava-maro no miseho
Tantaraiko anareo

Fa tovovavy maromaro
No indreo mifangaro
Mikotaba mihomehy

Mitondra lamba hosasana hono hoe
Mitady toerana hihaonana e
Sady mikosoka no mihomehy
Mahafinaritra ny miresaka
Sady manadio ireo lamba maro
Ao anaty rano

Fa nony kelikely avy eo
Dia injany misy feo
Miantsoantso azy ireo

Iny lakankely iray
Feno tovolahy izay
Mikopa-tànana azy ireo

Dia manopy maso ireo zavavy
Mitady hahafantatra ireo mpiavy
Faly sahirana no tezitra
"Mahatsiravina, fa mananihany"
Nefa ny ao am-po toa faly ery
Mody tsy mijery fa mahina

Tontolo andro eny ihany
Sady manasa no mifananihany
Fa na dia reraka aza ny hariva
Falifaly sady mihirahira
Velon-tsiky na dia lavi-podiana
Miramirana


Tontolo andro eny ihany
Sady manasa no mifananihany
Fa na dia reraka aza ny hariva
Falifaly sady mihirahira
Velon-tsiky na dia lavi-podiana
Miramirana

lundi 16 avril 2012

Misosa mankaiza (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Misosa mankaiza e (2)
Misosa mankaiza zany dia
Ho tody va re sa hikodia
Mipetraka izao ny fanontaniana
Sady efa mangarika ireo tsy tia ho aho
Misosa mankaiza e e e

Lazaina isan’andro dradraina mihitsy
Fa ny Malagasy tsy mandohalika
Kanefa zareo raha ny zava-misy
Tadiavin-dry zalahy hivaloharika
Misosa mankaiza e e e

Ireo mpanam-bola manjakazaka
Ny tompon’andraikitra mivanaka
Ny mpanao pôlitika zay lany era
Misy variana manao afera
Kiantranoantrano any rehetra any
Dia mahamenatra be ihany ho aho
Misosa mankaiza e e e

Mitombo isa ny fahavalo
Mpangarom-paosy ary koa ny dahalo
Mpangala-bady, mpanamin-trano
Izay tratran’izany hidiran’angano
Mahandrasa kely fa demain
Ny operation coup de poing
Misosa mankaiza e e e

Ao ireo mpiasa birao
Sahy manohitra fotsiny izao
Indrindra koa ireo voafidim-bahoaka
Misy ratsy manao be fandraoka
Soa ihany fa tsy izy rehetra
Fa raha tsy izany tena kôzy voretra
Misosa mankaiza e e e
Mahandrasa kely fa demain
Ny operation coup de poing
Misosa mankaiza e e e

Voakitika ny mpiasam-panjakana
K’izay voadona mihanahana
Ny heloka vita dia ngeza be
Raha manan-kavana pata be
Na mahitahita sy be kle
Dia mandeha ho azy io ramose a
Misosa mankaiza e e e

Manefa malefaka de plis
Ikoto ao anatin’ny service
Rehefa jerena dia mahakivy
Fa mibadabada be rarakivy
Ny tatitra miakatra 5/5
Fa ny zava-bitany moins 5 a
Misosa mankaiza e e e
Mahandrasa kely fa demain
Ny operation coup de poing
Misosa mankaiza e e e

Misosa mankaiza zany dia ho aho
Misosa mankaiza e e e

Rehefa sendra ny aretina ka mijaly
Voatery mba hiditra hôpitaly
Raha manantena ho andrianina
Tsy maintsy manomana vola ho an-dry anona
Raha tsy nahita aho dia tsy nino
Raha tsy mahafantatra olona ianao dia adino a
Misosa mankaiza e e e

Zay manam-bola ka tsara vatsy
Manantena ho sitrana atsy ho atsy
F’izay kely vola sy kely vatsy
Angamba dia hanomana vatam-paty a
Misosa mankaiza e e e
Misosa mankaiza zany dia ho aho
Misosa mankaiza e e e

Ny fanampiana ny tra-boina
Miainga any am-potony dia voadona
Boatin-drononon’ny zazakely
Atao risoriso eny an-tsenakely
Ka aiza sy aiza randrematoa
Fa ny komity no voky aloha
Misosa mankaiza e e e

Ny fanampiana dia mahavariana
Fa toa tari-drano eny ankilaila
Ny mania no betsaka noho ny tody
Fa lanin’ireo tsy mataho-tody a
Andraso kely fa demain
Ny operation coup de poing
Misosa mankaiza e e e

Ka iza ary izao no omena tsiny
Rangahy iry sa ny vahiny
Raha tsy ampy ny vokatra tsy izy akory
No hamboly tsako sy voanjobory
Na hampakatra sotro ao am-bavanao
Ka raiso ny angady, ny asa atao
Misosa mankaiza e e e

Fa avadika kely ary izao ny tafa
Koveta talesaka no sahafa
Misosa mankaiza e e e

Ilay nanantena hanankarena
Ny volany saika hividianan-kena
Indrisy (2) nampalahelo
Fa nitsatoka tao amin’ny tsabo telo a
Misosa mankaiza e e e

Fa tsy ampy fiheverana koa ry dada
Vao mahazo vola dia toaka lava
Efa hidiran’izay angano
Tarafin’ny andro dia efa mamo a
Misosa mankaiza e e e

Dia misy ihany koa ny ray aman-dreny
Manao antsirambina izy ireny
Fa nalefa nianatra re ry Ikoto
Kilaoty amin’izany malotoloto
Ary rah any itaovana no jerena
Marina moa tsy mampahonena
Fa efa hisasaka re ny taona
Ny kitapon-janany mbola foana
Misosa mankaiza e e e
Fa izy tsy hiala amin’ny vazom-boana
Misosa mankaiza e e e
Ny zaza amin’izany efa tena noana
Misosa mankaiza e e e

Fa nimpingampinga nandray karama
Ilay ramose sy ilay madama
Kanefa ny asa ao an-dakilasy
Mampihemotra ny zaza malagay a
Misosa mankaiza e e e

Ny lazaolana lavabe
Nno apetraka amin’ny solaitrabe
Avy eo amin’izay dia mitango resaka
Ny zana-bahoaka no apetrapetraka
Amin’ny fakan-drivotra elastika
Mba hiresahana politika
Misosa mankaiza e e e

Ny alasiinainy mandeha miera
Fa maika hamonjy ny dokotera
Paika sy tetika tsy atoro
Ny tanjona repos trois jours
Misosa mankaiza e e e

Miera kely aho ry ingahy tale
Fa misy lalana mba aleha
Miverina indray ny alakamisy
Dia efa milaza ho marary nify
Ny sabotsy dia mody aloha
Fa marary may hono ny an-doha
Misosa mankaiza e e e

Fa ireo tsy miera mandany vola
Ianao mampiaraka sy midola
Ny fianarana ambinkambiny
Rehefa adinina nefa rambony
Dia manantena fa rahampitso
Ho afaka bac amin’ny risoriso
Misosa mankaiza e e e

Indro fa lasa nankany Ankatso
Tsy lasan-davitra dia nikatso
Tsy miafiafy amin’ny lamaody
Lany ny bourse, diso kaonty a
Misosa mankaiza e e e
Mahandrasa kely fa demain
Ny opération coup de poing
Misosa mankaiza e e e

Fa misy milaza ho mahavita azy
Miteraka fito lahy, tomady
Ny tany koa vitsy sarim-bavy
Mpitolona tena mahavita azy a
Misosa mankaiza e e e
Kanefa tandremonareo Rabary a
Misosa mankaiza e e e
Fa ry lerony no mamboly vary a
Misosa mankaiza e e e

Ny siramamy sy ny savony
Ireo no miteraka lonilony
Lafo be ny dentifrice
Ka mila ho mavo lehiroa ny nify a
Misosa mankaiza e e e

Ny savony gasy dia mampanahy
Fa misy voa-na zavokà
Ilay nilaina mba hampamandina
Mety hiteraka vay an-kandrina
Ny savony fotsy matsoratsora
Fa ataon-dry zalahy be jabora
Misosa mankaiza e e e

Velon-taraina ilay ramatoa
Fa ny fiainana mafy moa
Ny mpivaro-bary mangala-patra
Ka mandray ny kihony izay ty zatra
Ny mpivaron-kena mangala-danja
Ny zaza tinaiza milangalanga
Ny vady ao an-trano mijangajanga
Misosa mankaiza e e e
Mba hahavokatra ho aho ny manga
Misosa mankaiza e e e

Nahitan-doza mampalahelo
Tanana no hamafana lelo
Asaina miasa mivalaketraka
Hihinana nefa mitalapetraka
Manao ari-zato am-pandriana re
Avy eo izy mameno gabine a
Misosa mankaiza e e e

Nahitan-doza mampalahelo
Tanana no hamafana lelo
Asaina miasa mivalaketraka
Hihinana nefa mitalapetraka
Manao ari-zato am-pandriana re
Avy eo izy mameno gabine a
Oouuh!

dimanche 25 mars 2012

Mandehana (Jovial)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jovial.

1. Nihevitra aho fa ahy ianao
Kanefa ianao lasa nandao
Tsy nisy izay azoko natao
Ka nionona aho nanadino anao
Voadona avy any vao niverina aty
Tsy fanariam-pako aho
Azafady akia

Fa raha misy olon-kafa any
Mety hahasitrana ny fonao tomany
Dia mandehana ianao mankany
Fa izaho hitso-drano anao hatrany
Mazotoa sy mahereza ianao
Mba hanangananao ilay fiainam-baovao
Tsarovy sy tadidio tsara
Fa ny antsika anie efa lasan-ko tantara

2. Koa mandehana izato izy
Lehibe ianao fa tsy ankizy
Aza tomany, atrakao ny loha
Atanjaho ny saina, toneo ny fo
Tsy raofiko intsony
F'efa rano raraka
Fa tsy anjarantsika ny hiaraka


Fa raha misy olon-kafa any
Mety hahasitrana ny fonao tomany
Dia mandehana ianao mankany
Fa izaho hitso-drano anao hatrany
Mazotoa sy mahereza ianao
Mba hanangananao ilay fiainam-baovao
Tsarovy sy tadidio tsara
Fa ny antsika anie efa lasan-ko tantara

Ry neny (Jovial)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jovial.

Ry neny ô, aiza  re no misy anao
Tongava aty eto anilako izao

Fa mijaly loatra re ity zanakao
Aiza ianao ry neny ô!
Tomany lava izao mitady mafy anao
Tongava re ianao
Ry neny tiako

Ela izay no nandazanao ahy
Ory ny fo, mahantra ny fanahy


Fa mijaly loatra re ity zanakao
Aiza ianao ry neny ô!
Tomany lava izao mitady mafy anao
Tongava re ianao
Ry neny tiako


Ry neny ô, aiza  re no misy anao
Tongava aty eto anilako izao

Toky fitaka (Jovial)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jovial.

1. Ry noheveriko bonaika, namborahako fitia
Hay diso paika ny fitiavako satria
Ianao ilay tiana nantenaina no mikendry handatsaka aina
Miseho ho sariaka kanjo joko mitsoriaka

Izato ianao mba ahoana no sahy mamelively foana
Ny toky nomena hay ankoso-bolamena
Mpanodinkodina ny marina mba ho sarotra fantarina
Fatra-pivazo hay mpitety voninkazo

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any


2. Dia niseho ho tena tia ka niangolangola ery
Ny fitia najoro, hay fitiavana nandoro
Ny fihetsika hafa kely, mafy indry ry ikala kely
Saingy tsy hamakiako loha velively


Dia mba mody ho mpiasa be hay fatsora gaigy be
Mampitondra faisana ilay fitia izay niraisana
Ka nijaliana avokoa, mafy ianao randriamatoa
Fa saingy tsy hivadiako atidoha


Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any



Ireny fanomezan-toky ireny, sady feno lokaloka
Hay ve ka teny izay natao mba hanodoka
Sy hanjonoana izany foko hibaby tanambokovoko
Nomena toky hay fitiavana boloky


Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misnitaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

lundi 19 mars 2012

Tora-pasika (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Tora-pasika mangina
Arahin-dintin-kafaliana
Mitahiry fahatsiarovana
Ireo masoko dia sina
Fa lalovana hakiviana
Dia irery fo torovana

Fa lasa tsy nipody intsony
Nivalona toa nofy
Ny omaly sy ny aminy
Hany sisa mba tavela
Akon-kira, hira mamy
Mitopa ao an-tsofiko ao

Ny ampitso hitondra hery vao
Ho foana sy ho lao
Ny sorisorin-tsaina
Ho foana sy ho lany
Raha eo anilanao

Tora-pasika madio
Manakora io lanitra io
Eo anivon-karavoany
No miposaka misosa
Toa maneso manakora
Onjan-drano tonga mora

Ary eo ny foko raha mandriaka
No hihaino akorandriaka
Ny saina verivery
Nivahiny lasa nody
Aminao no fanafody
Ireo maso manantena

Tsy mitony ny afo ao am-po
Miredareda ao
Mirongatra tsy nahy
Manembon-kalahelo
Raha tsy eo anilanao
Anilanao
Misinda re ny alahelo
Ao am-po(3)

Ny fahazazana ( ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

La la la la la la la la la la la la !!!

1. Nilaozana izany rehetra izany ankehitriny
Ka aiza intsony lay fahazazana nisiana taloha
Amin’izao fotoana izao ho singan-drery eto an-tany
Tsy misy intsony ho antsoina sy hihantahantana

Ref. Ny fahazazana teo anilan’i neny
Ny fihantahantana teo anilan’i dada

2. Tatsambo vao nilaozan-tsakaiza 'zany tenako
Kanefa tsy hay ny atsimo sy ny sisa ka ho aiza moa?
Aiza no hitodihana? toa manjaona no atao
Izaho sy ny sambokeliko ety andranomasim-be

Miverena (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Tsaroko izao ny lasa sy ny fahiny
'Zay nitosiako teo anilanao
Fantatro eny, tsapako ankehitriny
Fa mamy loatra ianao ry 'lay nandao

Tsaroko izao ny lasa sy ny fahiny
'Zay nitosiko teo anilanao
Fantatro eny, tsapako ankehitriny
Fa mamy loatra ianao ry 'lay nandao

Hitalahoko ireo ditra hatr'izay (izay natao)
Mivalo re 'ty fo izay nania (miverena)
Ny fitarainako raha azo atao
Hany iriako hiverenanao (miverena)

Amin'izay eny tsy hisy intsony
Ny alahelon'ny fo 'zay sendaotra
Ka ny orokoroka no hampitony
Sy ho mariky ny fitia izay niloatra

Hitalahoko ireo ditra hatr'izay (izay natao)
Mivalo re 'ty fo izay nania (miverena)
Ny fitarainako raha azo atao
Hany iriako ny hiverenanao (miverena)

Amin'izay eny tsy hisy intsony
Ny alahelon'ny fo 'zay sendaotra
Ka ny orokoroka no hampitony
Sy ho mariky ny fitia izay niloatra

Mamindrà fo amiko (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Mamindrà fo amiko fa reraka aho
Sitrano aho fa mihorohoro ny vatako
Miverena amiko, afaho ny fanahiko
Vonjeo aho noho ny famindramponao
Ohé

Tsinjovy ny fahoriako
Ianao no fifaliako
Ka mihaino ny feoko
Ianao no hitokiako
Todiho aho ka amindrao fo
Irery ka mijaly
Noho ny fahorian'ny foko
No efa mandreraka ahy
Ohé

Efa sasatra aho ka misento nony alina
Lanin'ny alahelo ny masoko
Vonton'ny ranomaso ny tavako
Noho ireo mpampahory ahy
Mamindrà fo amiko ouuuh!

Ianao no nanavotra ahy (Ny Nanahary)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny Nanahary.

Ianao no nanavotra ahy tamin’ny fahoriako
Ianao no nanafaka ahy tamin’ny fijaliako
Hatramin’izao foiko ho anao
Raiso ho Anao (ny fiainako rehetra)
Inty, Tompo ô e! raiso re e! fa fanati-tsitrapo e!
Raiso, raiso, raiso ho Anao fa fanatitra

1. Hatrizay ela izay dia ny làlan-tsitrapo
No mba nizoranay nefa nanahoana moa
Indro! Tompo ô e! raiso re e! fa fanati-tsitrapo e!
Eny, raiso, raiso, raiso ho Anao fa fanatitra

2. Moa fahoriana hatrany ve no iainako ety
Sa any ankoatra any misy hasambarana doria
Indro! Tompo ô e! raiso re e! fa fanati-tsitrapo e!
Raiso, raiso, raiso ho Anao fa fanatitra
Fa fanatitra.....
Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...