Namana/Amis/Friends

samedi 26 novembre 2011

Aleoko irery(Alôma)

Raha atao indray mijery 
Dia toa sambatra avokoa
Oharina amin'ny olon-drery
Izay rehetra miara-droa,
 Nefa nony injay zahana
Ny tsy hita ambadika any
Dia akory ny hagagana
F'hay mba misy tsiny ihany.

Hany ka aleoko aloha irery
Irery ihany irery foana
Tsy misy mpijery
Irery ihany irery foana.

Adin-tsaina amam-panahy
Lasa hasarotam-piaro
Tahotra sy ahiahy
Ary nofy ratsy maro.
 Izany no indray mitambatra
Ka manjary mankahia
Tsy mamela mba ho sambatra
Ireo izay mifankatia.

Hany ka aleoko aloha irery
Irery ihany irery foana
Tsy misy mpijery
Irery ihany irery foana.

Raha atao lalan'ny tany
Izany hoe tsy maintsy tia
Dia aleoko aleoko ihany
Mba miadana ny dia.
 Izaho mantsy tsy dia maika
Hahita olona ho tiaviko
Tiako koa ho maty paika
Ny ampitso sy ny ho aviko.

Hany ka aleoko aloha irery
Irery ihany irery foana
Tsy misy mpijery
Irery ihany irery foana
Irery ihany irery foana
Irery ihany irery foana!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...