Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Aoka ho an'Andriamanitra 461(Hobio 2)

Cliquez ici pour voir le liste des chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)


(Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)G. Neumark
1. Aoka ho an'Andriamanitra
Ny fanendrena ny lalanao.
Fa hovimbininy hianao
Amin'ny lalan-tsarotra ;
Fa toky tsy mamitaka
Ny tenin'Andriamanitra.

2. Fa inona no azonao
Amin'ny fiahiana ?
Tsy afaka ory hianao
Noho ny fisentoana ;
Na be herehina hianao,
Ho be ny alahelonao.

3. Lefero kely, maneke
Izay sitrak'Andriamanitra,
Ny zavatra tinendriny
Tsy maintsy mahasoa anao ;
Isika nofinidiny,
Ka tsy ho foiny indray.

4. Fa fantatr'Andriamanitra
Izay andro hifaliana
Isika no hodioviny
Amin'ny fahoriana:
Tsy maintsy hofantenana
Vao afa-pahoriana.

5.Dia aza atao fa hianao 
Afoin'Andriamanitra ;
Fa Izy dia mananatra
Ny zaza izay tiany,
Na dia mba manomana azy
Handova ny an-danitra.

6. Misaora ny Anarany,
Ka aza ketraka hianao
Fa ho tanteraka aminao
Ny soa lazain'ny Teniny ;
Fa toky tsy mamitaka
Ny Tenin'Andriamanitra.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...