Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Avia ry mangetaheta 254(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le liste des chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)



 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés) Johanesa, Ambato
1. Avia, ry mangetaheta ô!
Ka aza dia mba mamoy fo
Fa indro misy rano velona
Izay omena mba hamelona
Anao mahantra sy variana
Ry zanakondry very làlana

2. Ny mofon'aina no atolony
Anao manaiky mba ho olony
Ny tenany no ho fihinana
Mba hahazoana fiainana
Kanefa tsy mba hovidina anie
Fa tena fanomezan-dehibe

3. Jesosy Tompo no nanolotra
Ny rany masina ho avotra
Izany raiso mba ho tanjaka
Sy toky ho anao, ry reraka
Ry mpivahiny sasatra ao am-po
Avia re, ka manaràna fo!

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...