Namana/Amis/Friends

mercredi 23 novembre 2011

Asikino ny lamba (Odéam Rakoto)

Cliquez ici pour écouter d'autres chants de Odéam Rakoto.

Ao andrefana ao ry lahy
Misy toerana voatsiahy
Manaroka tazanina
Raha tsy hita mahamanina

Toa nosy mangamanga
Tsy hialana izao
Tsy fantatrao angamba
Etsy kely ho atoroko anao

Tara-bolana mazava
No mpamangy anay mazàna
Hirahira lalandava
 Ka tsy manam-piovana

Any ireo havana,sakaiza
Tsy ho adino n'aiza n'aiza
Ka na eto aho na any lavitra any
Dia tsaroako eny ihany

Asikino(3) zareo zany lamba
Ahodino(2), ka mitehaka tsy mihambahamba

Andao, hihiaka hoe(2)
Andao hihiaka ry zareo

Roso zany dia
Aingao ho sovenira
F'efa hita ankehitriny
Lay tananay fahiny

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...