Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

He, sambatra aho Jeso 471(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le liste des chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)J.Rajaonah
1. He sambatra aho, Jeso
Raha miaraka aminao
Fa ny lalanao dia lavim-pahoriana
Ny ali-manpahory, ny raho-mitatao
Eo anilanao dia mody fifaliana
Tano aho, Jeso hiaraka aminao
Ny lalana ombako e ! mba hazavao

2. Izao no faniriako manetsika ny fo
Ho sakaizanao mandrakizay doria
Na inona mihatra na inona manjo
Hianao no antenaiko hitantana ny dia
O ! Avia, Jeso tano aho e!
Tantanonao ny diako Tompo mamonje !

3.Izay sakaizanao, Jeso, noampoky ny soa,
Feno haravoana sy lavitra manjo;
Izay rehetra ilaina anananao tokoa,
Raha miaraka aminao,Mionona ny fo.
Sambatra aho Jeso, tretrika tokoa
Ravo ny fanahiko, toloranao ny soa.

4.Inona no mamiko mihoatra noho Hianao?
Tompo manan-kery sy loharanon-tsoa?
Izay zavatra ilaiko azoko aminao
Koa onenonao ny foko, ho lapanao tokoa
Manjakà, Jeso,ato am-poko Hianao,
Izay fahotako e! Ry Tompo avelao.

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...