Namana/Amis/Friends

lundi 14 novembre 2011

Mitoera ry Jesosy 312(Hobio3)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Hobio3(Fihirana FFPM)

 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
A. Rakotovao
1. Mitoera, ry Jesosy!
Ao an-tanimbolinao,
Ka amboary 'zao ny voly
Mba hitombo sy hamoa.
Tomoera,
Iasao ny Nosinay.

2. Mba onenonao ny lasy
Itoeranay izao,
Ka ovay ny Malagasy
Mba ho tena zanakao.
O! monena;
Hazavao ny Nosinay.

3. Akekezo ireo mpania
Tafaverina aminao,
Ka tantano mba ho tia
Ny miresaka aminao.
O! tariho
Ho Anao ny Nosinay.

4. Dia fohazy ny mpitory
Mba hanao ny asanao,
Ka hamoha ireo matory
Mba handre ny sitrakao.
Hamasino
Ho anao ny Nosinay.

5. O! Jesosy feno antra!
Dera, laza, ho Anao,
Ny lohalika rehetra
Handohalika aminao.
Mitoera,
Fa anao ny Nosinay.


Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...