Namana/Amis/Friends

mercredi 16 novembre 2011

Rakoto matilo(Jérôme Randria, Railovy)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jérôme Randria / Ny Railovy.

Takona tsy tazana any ambadik'any ho any ilay tanànako
Ho saraka tsy hita anoloana ny tavako ireo havako
Hofan-tànan'olon-tiana, kopakopaka mosara no nilaozako
Morontsiraka mafana, tora-pasika mandoro no vantaniko

Any an-dranomasina any ambany lanitra mangina no honenako
Alin-kitana amam-bolana sy rivotra madio nomba làlako
Eny an-tokontanin-tsambo miaraka amin'ny gitara no hiràko
Ireo hira izay fikaloko, ny hirahirantsika tena mamiko

Veloma ry Iarivo, ry Iarivo mamin'ny fo
Veloma mandra-pihaona, tsy hanadino anao Rakoto matilo
Là là là ....

Raha sendra embonembona any ho any ka voatonona ny anarako
Dia tsarovy fa manjohy anareo any koa ny eritreritro
Ireo sarin'ny sakaiza sy ny sarinao ry tiana no fandrianako
Isan'andro vao mifoha, na alina hatory, ho voajeriko

Eny taona maro angamba, any volana tsy voafetra hiverenako
K'aza malahelo foana fa antenaiko hisy fihaonana ny anjarako
Amin'izay fotoana izay hifampiatoraka isika hifamihina
Ho eo imolotro indray ireny teny mamintsika fahizay

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...