Namana/Amis/Friends

jeudi 10 novembre 2011

Sambatra ianao (Barijaona)


Sambatra ianao fa nahay nanadino
'Reo andro efa lasa navalon'ny taona
Sambatra ianao fa tonga tsy nino
Ny dina 'zay nisy fa dia afa-tsaona

Sambatra ianao fa toa tsy nahatsiahy
'Reo dinam-pitia nifanaovantsika
Niserana ihany ny vetsom-panahy
'Rony hafanana dia toa nangatsiaka

Ny lalanareo hotsarotsaroana
Ny alokareo tsy hay hadinoina
Ny anay 'rony lasa toa vao aninkeheo
Andrasan-ko faty vao mainka tsaroana.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...