Namana/Amis/Friends

jeudi 10 novembre 2011

Ho melohina (Barijaona)


Homelohina va ny foko
Raha niantefa taminao
Rotsirotsy, safosafo
No natolotro anao
Eny raiso sombinaina
Tsy an-tery tsy akory
Raha tsy tianao alaina
'Zany foko oriory

Eny, eny ho'aho ry foko kely
'Zay nizaka izao rehetra izao
Ka zakao na mangidy na tantely
Amin'ny andro hifalian'izaho sy ianao
Homelohina va  ny foko
Raha niantefa taminao
Asanao ry nantenaina
Asa izay sitrakao.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...