Namana/Amis/Friends

samedi 12 novembre 2011

Tsaroanay tokoa izao 20(Hobio2)

Cliquez ici pour voir le liste des chants sur Hobio2(Fihirana FFPM)



 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)D.O.Jones
1. Tsaroanay tokoa izao
Ny soa be noraisinay,
Tsy tapaka avy taminao
Ry Andriananaharinay.

2. Ny lasa itodihana
Dia mampiseho avokoa
Ny tanam-pitiavana
Miahy sady manasoa.

3. He! Koa 'ty andronay ity,
Izay diavinay izao,
Dia voahodidina ery
Ny fitahiana aminao.

4. Dia tokinay tokoa izay
Fa mbola ho arovanao
Anio, ampitso, rahatrizay,
Izay miankina Aminao.

5. Ka dia mba velomy re
Aty anatinay ny fo
Hahay misaotra Anao anie,
Ry Rainay be famindram-po!


Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

1 commentaire:

  1. Miarahaba, Ary sao mba misy mahalala ny nandika azy tamin'ny teny Malagasy azafady

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...