Namana/Amis/Friends

jeudi 29 décembre 2011

Angamba anio(Fihirana Advantista 139)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Ny feon'ny Faminaniana.

J.Mac Granaham/Rajoelison
 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
1. Angamba anio, raha maraina ny andro
Mibaliaka soa ireo tana-masoandro
No ho avy indray eny an-danitra ambony
Kristy mba handray ny Azy re

O faingana Ianao Jesoa
Mandra-paha-oviana? hihiranay
Haleloia, Haleloia, Amen!
Haleloia, Amena!

2. Angamba anio raha mby ny antoandro
Mitataovovonana ny masoandro
No ho avy indray eo an-danitra ambony
Kristy mba handray ny Azy re

3. Angamba anio raha hariva ny andro
Ka hisoka izao, lasa ny masoandro

No ho avy indray eo an-danitra ambony
Kristy mba handray ny Azy re

4. Angamba anio, ô ry foko, miomàna
Ndrao variana re amin'ny fahotana
Maraina, atoandro, na ali-mangina
Avy Kristy, moa vonona va?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...