Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Izy irery (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

Rehefa tsy eo anie izy iny
Toa lasan’embona any
Lasa vetso toa tomany lava izao
Mirenireny toa adala tsisy atao
Mitady anao(2)

Efa ela loatra angamba
No niarahantsika izay
Ianao io aza hitako efa leo
Izaho irery ihany sisa
No mitady ilay fitia
Ilay fitia

Fiverenana(x2)
Izy irery
Izy irery ihany
Izy irery
Izy irery no mba ahy
Izy

Toa adino tsy tsaroany
Irony sangisangy irony
Mangingina toa malomaloka eny aho
Meteza re mba hampifaly
Ity olonao taloha
Meteza re


Rehefa tsy eo anie izy iny
Toa lasan’embona any
Lasa vetso toa tomany lava izao
Mirenireny toa adala tsisy atao
Mitady anao(3)

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...