Namana/Amis/Friends

mercredi 21 décembre 2011

Jesôsy ô, mino zahay(Bessa)



Jesôsy ô, mino zahay(2)
Fa tsy hanao zara vilana
Na hijery mitongilana
No nidinanao
Taona maro lasa izay

Ka ny fotsy satria fotsy
Dia notoloranao harena
Hanamparany ny heriny(2)
Fa ny mainty satria mainty
Dia mangataka zay vao omena
Kely ihany fandrao dia toheriny
Ny tsy fitovian-jo

Na ry zareo ato atsimo
Dia ataonao be ambim-bava
Hisehoana sy hizahozahoana
Aminay ato avaratra
Zay mandry fotsy lava
Fa tsy misy ny atokona
Kanefa tena noana
Sy kepaka tokoa

 Jesôsy ô mino zahay(2)
Fa tsy izany velively
No nidinanao tety
Ka ny Noelinay
Enga anie mba ho Noely
Feno hasambarana
Satria isam-baravarana
Tianao hahafantarana
Fa mitovy izahay ety
Fa mitovy
Mitovy izahay(2)
Izahay ety
Amen!

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...