Namana/Amis/Friends

mardi 20 décembre 2011

Ilay fisarahantsika (Kiki sy Nirina)



Enemana androany izao
Ny andro nahalasàna anao
Ny ato an-tranontsika
Tsisy miova bika
Saingy malahelo, mangatsiaka

Ilay piano fitendrinao
Tsisy mandray azy intsony
Lasa mangingina
Ny ato an-tranontsika
Tonga malahelo, mangatsiaka

Ny aty zao tsy misy vaovao holazaina
Ny alahelo anao no be sombiniaina
Sombiniaina

Omaly tontolon'ny andro iny aho
Tsy nahita izay atao aho
Ny bokintsarintsika no nojereko
Ka sady velon-tsiky aho
No nisento aho

Ny fandefasam-peo injao
Mandefa ilay hira tianao
Ny orana no injany any ivelany any
Mitaitaika mora
Toa tsy ho lany


Ny aty zao tsy misy vaovao holazaina
Ny alahelo anao no be sombiniaina
Sombiniaina
Cela fait six jours aujourd’hui
Que tu es parti
Rien n’a changé
Chez nous
Pourtant c’est triste et froid

Personne ne touche
Au piano que tu jouais souvent
Notre maison
Devient slencieuse,
Si triste et froide

Ici, rien de spécial à te raconter
Sauf que tu me manques tant
Bébé

Toute la journée d’hier
Je ne savais pas quoi faire
A la fin, j’ai regardé les albums photos
Ainsi, j’ai eu un petit sourire
Tout en soupirant

Et voilà la radio
Diffuse ton tube préféré
Et j’entends la pluie dehors
Crépite doucement
Incessamment

Ici, rien de spécial à te raconter
Sauf que tu me manques tant
Bébé

1 commentaire:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...