Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Lay tena namanao (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

Nanganohano tanaty ny aizina aho
Nitady sy niady
Nikaroka fiaraha-monina tsisy kalao
Betsaka ireo niseho ho namana
Nantenaiko hanohana
Kanjo indrisy ireo indray
No nisarika ahy ho any an-davaka
Misy afo mahamay(x2)

Mitodika  aminao aho ry tanora ô
Tandremo fa betsaka ireo
Misalo ho namanao kanefa handratra
Mitory fitia amin'ny feo malefaka
Nefa ny tanjony loza
Mitady izay ho sarihany any an-davaka
Misy afo mahamay(x2)

Etsy kely aloha, mihainoa ihany
Tombany ambony ambany
Izay ho namanao rahatrizay
Etsy kely aloha, mihainoa ihany
Tombany ambony ambany
Izay ho namanao rahatrizay


Fa mety ho reraka raha mbola tsy hahita
Zay tena ho namanao
Ka maika hamoy fo mitomany
Fantaro fa ny Tompo Jesoa
Efa niaraka taminao
Fa tsy fantatrao, eny angamba
Fa tsy tsapanao f'izy lay namanao
Izy ilay tena namanao

Etsy kely aloha, mihainoa ihany
Andramo ka zahao Jesosy namanao
Efa tianao
Etsy kely aloha, andramo Jesoa
Andramo ka zahao, f'Izy ilay namanao
Mahavonjy anao

Etsy kely aloha, andramo Jesoa
Andramo ka zahao...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...