Namana/Amis/Friends

lundi 5 décembre 2011

Tsy omaly (Mireille)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Mireille

 Tsy omaly intsony ny fianako anio
Tsy angano na nofy intsony satria
Nifanena indray ny lalantsika roa

Tsikitsiky tsy nisy firy taloha
Ny fanantenana tsy re feo intsony
Nitobaka indray nameno ny fo…

Nanaraka ahy hatrany am-pandriana nody
Ilay feonao nihira hafaliana fa tia ;
Tena tia no sady tiana
Tia mihoatra noho ny taloha
Velon-kira koa ny foko noho ianao !

Tsy omaly....

Ny fontsika roa hitambatra iray
Ny feontsika koa hanandratra hira
Tsy toy ny taloha fa ho mandrakizay

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...