Namana/Amis/Friends

jeudi 19 janvier 2012

Ahiratray ny masonay (Amboara Katolika)


Ahiratray e, ny masonay
Hifantoka aminao,
Asandratray e ny masonay e
Mitady anao Andriamanitra ô
Velarinay e ny tananay
Miandry vonjy
Avy aminao Andriamanitra ô

1. Fa izao tany izao, rako-java-mahasondriana ;
Raikitra eo ny masonay, manadinodino anao.

2. Tsy ho satrinay ve ny hifanatrika aminao :
Nefa he, ny fijerinay feno tebiteby lava.

3.. Ampianaro izahay mba hahita anao Mpahary
amin-java-nohariana taratry ny endrikao.a

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...