Namana/Amis/Friends

jeudi 19 janvier 2012

Inty no ora sarobidy (Amboara Katolika)

Cliquez ici pour écouter ce morceau sur le playlist de Amboara Katolika
Inty ny ora sarobidy itsanganako
Andraisako ny tenanao ry Jesoa mamiko
Tsy dia mendrika aho ny ho tsidihinao
Kanefa sitrakao avia re
Oh oh sambatra aho re

Nandray ny tenanao ny foko ry Mpamonjikoa
Ka henin-kafaliana ny fanahiko
Mitsaoka anao re, misaotra anao re
Tsy hitako izay havaliko
Oh oh sambatra aho re

Mba tsofy rano aho sy ny havako rehetra
Sy izay mpanao soa anay sy sy sakaizako
Ho tia anao re, tsy mba handao anao
Ka samy mba ho tonga an-danitra any
Oh oh sambatra aho re.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...