Namana/Amis/Friends

mardi 17 janvier 2012

Raiso Jesosy (FEFI)



Raiso Jesosy ô! F’omeko avokoa
Mba hanompoako Anao ny fiainako
Tsy asiako fetra, tsy ho faritako
Fa aoka Ianao no ho Mpanapaka

Raha mbola avelanao, hitempotempo anatiko ao
Lay foko zay nomenao, mba hamelombelona ahy
Dia hitsangana aho, ka hiasa izao mba ho Anao
Ka esory amiko ny ahiahy... Jesosy ô!

Raiso Jesosy ô! F’omeko avokoa
Mba hanompoako Anao ny fiainako


Mba hiantako aminao, tokoa Jesosy ô!
Ampionony re, ny hatezerana amiko
F’efa fantatrao sy tsy miafina eo aminao
Saiky kivy ity mpanomponao... Jesosy ô!

Tsy asiako fetra, tsy ho faritako
Fa aoka Ianao no ho mpanapaka

Ambarako eto indray, ho ren’izao rehetra izao
Ny dina sy ny voady, fa ekeko ny ho irakao
Nefa tsy ho tanteraka anie Jeso
Raha tsy homban’ny Fanahy Masinao... Jesosy ô!

Raiso Jesosy ô! F’omeko avokoa
Mba hanompoako Anao ny fiainako
Tsy asiako fetra, tsy ho faritako
Fa aoka Ianao no ho mpanapaka
Raiso Jesosy ô! F’omeko avokoa
Mba hanompoako Anao ny fiainako
Tsy asiako fetra, tsy ho faritako
Fa aoka Ianao no ho mpanapaka

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...