Namana/Amis/Friends

jeudi 16 février 2012

Ampangino ny izahoko(Fihirana 466, Imprimerie Adventiste)



Cliquez ici pour voir le liste des chants de Imprimerie Adventiste.
1. Ampangino ny izahoko ry Tompo ô
Ampangino hihainoako ny feonao
fa manelingelina ny hidiranao ao am-po
O! ampangino tanteraka Tompo ô

Ref:
Ianao izay neken'ny rivotra Jeso
Ianao neken'ny ranomasina
Ianao nibaiko ny afo
O! ampangino ny izahoko

2. Raha mila te ho sosotra ilay izahoko
Dia teneno moramora re ry Tompo ô
Mba hitandro voninahitra ho Anao irery e
Fa fihavanana no sitrakao

3. Raha mila te hirehareha Tompo ô
Te-hanindrahindra ireo talenta nomenao
Ampangino, ampangino ny izaho ato am-po
Fa tsinontsinona aho re Tompo ô

4. Raha tia fanakianana aho Tompo ô
Fanakianana tsy mba mamokatra ho anao
Ampangino aza avelanao hiteniteny re
F'izaho koa tsy mahavita be

5. Raha levona tanteraka ny izahoko
Ka tsy izzaho intsony re no velona ato am-po
Dia ny herinao anie hanosika ahy hankato
O! tanteraho zay sitrakao Tompo ô

4 commentaires:

  1. Misaotra amin'ny fametrahana ny tononkira fa tena ilaina tokoa. Ny voninahitra ho an'Andriamanitra irery ihany!
    Merci pour la parole qui etait vraiment necessaire. A Dieu seule la gloire!

    RépondreSupprimer
    Réponses
    1. Tsy misy hisaorana fa ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra ary ho tanteraka amintsika izany tononkiram-bavaka izany.

      Supprimer
  2. Isaorako manokana zay namorona ty hira ity sy ireo mpihira ireo, tena mba ho tanteraka amiko anie zany hira izany Amen

    RépondreSupprimer
  3. Isan'andro ah dia mihaino ity hira ity mba ho tena amboarin'Andriamanitra anie ty foko ity, isaorako zay namorona sy ny mpihira, ho tahian 'Andriamanitra anie ianareo ka tena mba ho henoinao anie Jesosy ny hetahetam poko.
    Ho an'Andriamanitra ny voninahitra

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...