Namana/Amis/Friends

vendredi 10 février 2012

Andraso aho

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Troupah.



Andraso aho ry malala fa ho avy
Tsy ho ela dia hifanatri-tava
Toa mijaly koa e raha lavitra anao
Aza adino ny taratasy mandra-pihaona

Ny sarinao satry ho am-poko ao
Ny vatanao manontolo no toa hiseho
Mandra-maraina no hitiavako anao
Ny fitia toy ny ketsa maniry raha afindra

Tonga any aho hoy aho na aiza na aiza misy anao
Fa mbola ianao no mamin'ny foko hatramin'izay
Tonga mba hamonjy ny akany tiana
Izany angamba no mety hitondra ny hafaliako

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...