Namana/Amis/Friends

vendredi 10 février 2012

Nirina

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Troupah.

Nirina ô, ianao no iainako eto an-tany
Tsy misy handrara amin'izany
Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

Nirina ô, ny olon'irery hono tsy mba tsara
Ka raha mba manana ho ambara
Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

Rahoviana indray no hihaona
Tsy tafandry aho isan'alina
Sasa-poana e... Nirina ô...
Mitady anao

Nirina ô, iriako ianao mba ho eto anilako
Mba tanteraho ny sitrapoko

Ianao no efa tiako, ianao no hofidiako
K'aza lavinao ny faniriako

2 commentaires:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...