Namana/Amis/Friends

mardi 13 mars 2012

Rankizy Malagasy ô (Odéam Rakoto)

Cliquez ici pour écouter d'autres chants de Odéam Rakoto.

- Zana-tsoratra "a" akambana amin'ny renisoratra "b"
Ahoana ny vakiny?
- Babakoto mose
Mpaminany lehibe
- "Babakoto" efa mitsangana koa
Anao!
- "ba"
- Manaraka
- "bo"
- Manaraka
- "bi"
- Ataovy indray miaraka ary rankizy,
ary ireto tsy mahay n'inon'inona ireto, mitsangàna ihany eny ambony dabilio


Ref:
A    E    I    Ô
Ho an'iza ny soa ao aoriana
A    E    I    Ô
Mianara fa aza variana

Rankizy malagasy ô!
Mianara taratasy, vonjeo ny lakilasy
Ny soa mangarangarana dia any am-pianarana

A   E   I   Ô
Mibabaka raha tsy mahay
I   E   A   Ô
Menatra ka ho aiza indray

Rankizy malagasy ô!
Mianara taratasy, vonjeo ny lakilasy
Ny soa mangarangarana dia any am-pianarana


Deux trois quatre d'abord
Mitombo isan'andro ny soa
One two three four
Avy eo dia mandray hafa koa


Rankizy malagasy ô!
Mianara taratasy, vonjeo ny lakilasy
Ny soa mangarangarana dia any am-pianarana


- Jeografia!
Aty daholo ny maso...jeografia
"Iza moa rankizy amin'ny jeografia
Ilay nosy kely iray misari-tongotra ankavia?
Hodidinin'onjan-drano ka toa tomaratara
Hatramin'ny elabe no efa nosy voatantara
- Madagasikara
- Iza no hiha-soa raha mahay isika izao
Iza no hanjary ilay "nosy vaovao"?
Fa vakok'ho raiketin'ny zanaka amam-para
Moa iza hoy ianao ilay nosy manan-jara?
- Madagasikara
- Raha ho mby ilay ora hatoriana
Hiverenanao any am-pasana mangina
Aiza no fodian'ireo zanaka amam-para
Raha iny ka...raha avy ilay anjara?
- Madagasikara
- Avereno ary rankizy
Mba ho henon'ny tsy mahay n'inon'inona rehetra
Fa ilaina ny ianarana ankehitriny
- Voyelle “a” avec la consonne “b”
Qu’est-ce-que ça donne ?
- « Babakoto» (nom d'un lémurien de Madagascar) monsieur
Grand prophète
- « Babakoto »reste debout
A toi !
- ba
- Suivant
- bo
- Suivant
- bi
- Tout le monde
Quant-à vous les nuls, restez debout sur les tables bancs

Ref :
A E I O
A qui seront les biens dans l’avenir
A E I O
Apprenez sans perdre du temps

O ! Enfants malgaches
Apprenez, assistez vos classes
La richesse sans impureté se trouve à l'école

A  E  I   O
Avoue ton ignorance
I   E   A   O
C’est honteux !mais nulle part pour s’y échapper

O ! Enfants malgaches
Apprenez, assistez vos classes
La richesse sans impureté se trouve à l'école


Deux trois quatre d’abord
Le bien s’accumule jour après jour
One two three four
Et on en amassera encore plus


O ! Enfants malgaches
Apprenez, assistez vos classes
La richesse sans impureté se trouve à l'école


- Passons à la Géographie !
Les yeux au tabeau… Géographie
« Dites-moi les élèves ;en géographie
Qui est la petite île en forme de pied gauche?
Entourée par des vagues avec des reflets éclatants
Connue depuis longtemps par son histoire
- Madagascar
- Qui s’embellira si nous avons la connaissance
Qui deviendra la « nouvelle île » ?
Vu que c’est un trésor gardé par les descendants
Dites-moi le nom de cette île fortunée
- Madagascar
- Quand sonne ton heure
Où tu rejoindras ta tombe silencieuse
Où se reposeront ces descendants
Quand sonne l’heure de ton destin ?
- Madagascar
- Répetez ,donc, encore une fois
Pour que ces nuls entendent
Qu’étudier est très important de nos jours




1 commentaire:

  1. Mila alefa matetika ao radio sy tele ity hira ity fa mitady ho voizin n'ny sasany ny hoe tsy ilaina ny fianarana

    RépondreSupprimer

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...