Namana/Amis/Friends

dimanche 25 mars 2012

Toky fitaka (Jovial)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Jovial.

1. Ry noheveriko bonaika, namborahako fitia
Hay diso paika ny fitiavako satria
Ianao ilay tiana nantenaina no mikendry handatsaka aina
Miseho ho sariaka kanjo joko mitsoriaka

Izato ianao mba ahoana no sahy mamelively foana
Ny toky nomena hay ankoso-bolamena
Mpanodinkodina ny marina mba ho sarotra fantarina
Fatra-pivazo hay mpitety voninkazo

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

2. Dia niseho ho tena tia ka niangolangola ery
Ny fitia najoro, hay fitiavana nandoro
Ny fihetsika hafa kely, mafy indry ry ikala kely
Saingy tsy hamakiako loha velively

Dia mba mody ho mpiasa be hay fatsora gaigy be
Mampitondra faisana ilay fitia izay niraisana
Ka nijaliana avokoa, mafy ianao randriamatoa
Fa saingy tsy hivadiako atidoha

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

Ireny fanomezan-toky ireny, sady feno lokaloka
Hay ve ka teny izay natao mba hanodoka
Sy hanjonoana izany foko hibaby tanambokovoko
Nomena toky hay fitiavana boloky

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misnitaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

Fa ny toky izay nomenao ahy, hay ilay izy toky fitaka
Mba tsy hisian’ny ahiahy tsy aleo ve misintaka
Tsy ianao irery ihany anefa no azoko antenaina eto an-tany
Fa mbola misy ihany any ho any

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...