Namana/Amis/Friends

jeudi 5 avril 2012

Dinan'ny fitia (Dany Ranoa)


Mpihira: Lecky sy Lily
Ny volana sy taona(2)
No mety hiova foana
Hifampisolo koa
F'ilay fitia sy dina (2)
Nomeko anao ry tiana
Dia tokana fa tsy roa

Na ory ianao na manana
Na sanatria farofy
Izao no hany lalana
Ny handao anao ho nofy
Ny fasana ihany
No hampisaraka ny dia
Na izany na tsy izany
Hitohy hatrany hatrary
Hitohy hatrary ilay dina
Ilay dinan'ny fitia

Ny mamy sy mangidy (2)
No mety hifandimby
Amin'ny fiainantsika
F'ilay fitia nambara(2)
Tambony alitara
Ho tanako tsy ho tomika


Na ory ianao na manana
Na sanatria farofy
Izao no hany lalana
Ny handao anao ho nofy
Ny fasana ihany
No hampisaraka ny dia
Na izany na tsy izany
Hitohy hatrany hatrary
Hitohy hatrary ilay dina
Ilay dinan'ny fitia


Na hisy fahavalo (2)
Mitady hampialo sy hampisafotofoto
Lay voady izay nijoro
No handrava sy hampikoro
Ny loza ho kila sy ho toto "No ho toky mba tsy ho toro"


Na ory ianao na manana
Na sanatria farofy
Izao no hany alana
Ny handao anao ho nofy
Ny fasana ihany
No hampisaraka ny dia
Na izany na tsy izany
Hitohy hatrany hatrary
Hitohy hatrary ilay dina
Ilay dinan'ny fitia

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...