Namana/Amis/Friends

mardi 3 avril 2012

Fara-dona (Naly Rakotofiringa)


Injay midona moramora, any an-tsefan-drahona any,
Oram-baratra mijojo, no indro tamy sesilany,
Injay ilay ako fa mirahona, nefa maty vetivety
Kanjo dia misinda mora, any ampara-vodilanitr' any

Lasa ho azy teo ny sento, namisavisa zava-maro,
Vetsovetso tsy hita fetra, nifanjevo, nifangaro
Nitadidy ny efa lasa, ireo malala izay nafoy,
Kanjo ranomaso sisa, potrapotraka nijoy

Hay! tsy inona tsy akory
llay nampivetso tsy hita faritra,
Nitondra amboara nampahory
Sy nahavelom-pisentoana.
Fambara orana ho lany
'zay namela fara-dona,
Zary nampifendrofendro
Soa ihany tsy naharitra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...