Namana/Amis/Friends

mardi 3 avril 2012

Lehilahy mody (Naka Rabemanantsoa)


Lehilahy mody izao no famindra,
Tahaka irony fody tsara sy mirindra,
Ka tsy misodisody na mihindrahindra,
Lehilahy mody izao no famindra...

'Lay akany tiana no mameno saina,
'Lay tany nihaviana no mba antenaina,
Na voatady mody na mijaly indrindra,
Lehilahy mody izao no famindra.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...