Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Faniriana (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Aza hirainao amiko ny kalon'ny fahiny
Aza averina amiko ny anganontsika ireny
Aza tantaraina koa ny somonga, vazivazy
Aza tairinao intsony ny efa rava tany

Aza irianao re ny omaly hivetsovetso ireny
Ary aingao re ny tontolo tsy hananam-polo
Aza avelanao hiseho ireny adiady
Aza fohazinao intsony ny efa matory

Andro vao no andrandraina hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ny aloka vaventy

Aza eritreretinao ny tselatra tsy hita
Aza atao hoe lahatra ny adalana vita
Aza lavinao toy izao ny saina hanavao
Hasambarana no iriana hatrizao


Andro vao no andrandraina hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ny aloka vaventy

Andro vao no andrandraina hisava ny taraina
Hisoka mora vetivety ny aloka vaventy

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...