Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Masoandron'ny fitia (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Dia nirotsaka tsy satry ny tomany
Dona-tsetroka mijofo any ho any
No milaza f'efa lao ka handao ahy ianao
Hikopak'elatra any an-danitra vaovao

Alin-kisa mitsilopy manjopiaka
Mitanisa izany nofy niainantsika
Mampanembonembona amin'ny andron'ny tsiahy
Mampangolika fo sy fanahy

Taitra teo fa nandre feonao mihomehy
Reko mamiravira fo voarotsi-na hira
Hasambara-baovao, ho rivo-baovao
Andro tsaran'ny maraina ny anao

Fa ny ahy hovonoiko ny tsiahy
Hosoloiko hirahira aty am-panahy
F'efa iry mipoitra iry ilay masoandron'ny fitia
Manafana izany foko mba minia


Taitra teo fa nandre feonao mihomehy
Reko mamiravira fo voarotsi-na hira
Hasambara-baovao, ho rivo-baovao
Andro tsaran'ny maraina ny anao

Fa ny ahy hovonoiko ny tsiahy
Hosoloiko hirahira aty am-panahy
F'efa iry mipoitra iry ilay masoandron'ny fitia
Manafana izany foko mba minia

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...