Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Nofy version originale (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.


Nanonofy anao aho tamin’ izay
Nitsingevana hono ianao
Rahona no hipetrahanao
Ny kintana no sambofiaranao

Nanonofy ano aho tamin’izay
Tànana no natolotrao
Hnadray ahy ho eny aminao
Ny kintana taontsika kilalao...

Avia aty hoy ianao
Ho ety ambony kintana
Fa ety no omeko anao
Omeko anao izao tontolo izao...

Mifohaza an'izay ianao
F'efa ity anilanao ity aho
Izany no noteneninao
Nitsiky aho raha mba teto mantsy ianao

Avia aty hoy ianao
Ho ety ambony kintana
Fa ety no omeko anao
Omeko anao izao tontolo izao...

Dia nifoha amin’izay ary aho
Niandrandra aho nitazana anao
Hay nanonofy anao fotsiny aho
Nitsiky kely...
Raha mba teo mantsy ianao...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...