Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Ny nandaozanao ahy (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Taona firy lasa izay,
Maro loatra tsy tsaroako,
Nangidy mantsy ilay ratra,
Nandrovitra ny foko…

Tsikitsiky, tambitamby,
Fitsaboana lehibe,
Nataon’ireo namana,
Izay vao tafarina nandeha…

Ny anaranao, mamiko, nofafàna avokoa,
Ka nivavaka aho, mba ho faty ny taloha…
Fa raha ho tonga indray ianao,
Hiparitaka ny foko,
Hotadidiny ianao…

Taona firy lasa izay, ny maso no miteny
Aza lazainao fa adala aho,
Fahatsiarovana ireny
Tsy ny taona lasa akory
No hanadinoina ny efa vita,
Fa ny fitiavako natory…
Mbola ao tsy mety ritra.

Ny anaranao, mamiko, nofafàna avokoa,
Ka nivavaka aho, mba ho faty ny taloha…
Ny anaranao, mamiko, nofafàna avokoa
Ka nivavaka aho, mba ho faty ny taloha
Fa raha ho tonga indray ianao,
Hiparitaka ny foko,
Hotadidiny ianao…

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...