Namana/Amis/Friends

mardi 19 juin 2012

Tia (Lalatiana)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Lalatiana.

Raha maizina ny andronao
Mila tanana hanarina ianao
Izay mijery hihomehy anao
Na hihodina tsy hahita izao

Raha mahatsiaro irery ianao
Fa nilaozan’ireo namanao
Raha manavaka anao izy ireo
Izay nilany anao vita hatreo

Fantatrao ihany
Iray eto an-tany no tsy toy iznay
Raha vao miantso ianao
Hanatona aho
Hanolotra fo...

Tia anao...tena tia anao...
Tena tia , tena tia anao...

Rehefa maizina maizina ny andronao
Mila tanana hanarina ianao
Izay mijery hihomehy anao
Na hihodina tsy hahita izao

Raha mahatsiaro irery ianao
Fa nilaozan’ireo namanao
Raha manavaka anao izy ireo
Izay nilany anao vita hatreo

Fantatrao ihany
Iray eto an-tany no tsy toy iznay
Raha vao miantso ianao
Hanatona aho
Hanolotra fo...

Tia anao...tena tia anao...
Tena tia , tena tia anao...
Oh tena tia anao
Tena tia , tena tia anao...
Oh tena tia anao
...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...