Namana/Amis/Friends
vendredi 28 septembre 2012
Hody aho (Laurent Rakotomamonjy. GLR)
Cliquez ici pour voir la partition en solfa de ce morceau.
Vorona taitram-basy aho ry devoly ka tsy hijanona intsony
Ka veloma mavesabesatra no apetrako ho anao
Leon'ny mifotetaka amin'ny tany aho k'aleo mba hiakatra ambony
Ary hiaina amin'ny fiainan-tsoa mamiratra sy vaovao
Rovitra voro-damba ve no sisa navelan'ny fahotana
Ho tinafin'ny tenako efa reraka sy mahia
Hatramin'ny masoko aza moa voarakotry ny haizin'ny fahajambana
Tsy nahita ny harato fandrika aho k'endrey dia nikodia
Hamantana tany foana toa havandra riirinina ianao satana
Raha toa mikasa ny mbola hiverina ato anatiko indray
Fa ny haizina be taloha ef voaroakan'ny taratry ny hazavana
Ahitako ilay lalan-tsara izay mankany amin'ny Ray
Aza hitsahinao re ny lambako ry ngahy losifera fa ny andro hariva
Tsy te hiherika anao intsony aho f'efa leo sady fay
F'efa injany fa re manako sy mikalo any ho any ny feon'antsiva
Hiantsoantso izay mbola tara rehetra hody amin'izay
Tsenao amin'ny indrafonao aho Razoky Jesoa f'efa tonga saina
Mba tolory ny Tananao aho, raiso aho fa vizana re
Mifaly aho raha toa ka raisinao no sady tsy maty fo aman'aina
Ohatr'izay aho efa voatono tany anaty afobe
Tsenao amin'ny indrafonao aho Razoky Jesoa f'efa tonga saina
Mba tolory ny Tananao aho, raiso aho fa vizana re
Mifaly aho raha toa ka raisinao no sady tsy maty fo aman'aina
Ohatr'izay aho efa voatono tany anaty afobe
Ouh, ouh, .....
Libellés :
Audio,
Evangélique,
Groupe Laurent Rakotomamonjy,
Malagasy,
Parole
Mivavaha (Ny Feo Mamantonalina)
Ialana tsiny, tompoko, nohon'ny faharatsian'ny horonam-peo ary maniry izahay mba tsy hanimba ny fankafizanao ny hakanton'ny hira izany. Mille excuses pour la qualité du son, veuillez tout de même apprécier la beauté de la chanson.
Cliquez ici pour voir la partition en solfa de ce morceau.
Cliquez ici pour voir la partition en solfa de ce morceau.
Soprano
Mivavaha ianao ka aza mety
sasatra ry olon’Andriamanitra
Fa ny Ray Tsitoha hihaino anao,
hihaino fatratra izay maharitra
Ny vavakao(2), taraina sy
talaho, miloatra avy ao am-po fa fefika manjo
Ny
vavakao taraina atao mandra-maraina, atao mandrakariva
Na dia efa iva ny herinao, ny
vavaka no hamaliana anao
Hody rariny ihany ny talaho(2)
Mivavaha ianao ka aza mety
sasatra ry olon’Andriamanitra
Alto
Mivavaha ianao ka aza mety
sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Fa ny Ray Tsitoha hihaino anao,
hihaino fatratra anao izay maharitra
Ny vavakao(2), taraina sy
talaho, miloatra avy ao am-po fa fefika manjo
Ny
vavakao taraina atao mandra-maraina, atao mandrakariva
Na dia efa iva ny hery ny
herinao, ny vavaka no hamaliana anao
Ka hody(2) rariny ihany ny
talaho, hody(3) rariny ihany ny talaho
Mivavaha ianao ka aza mety
sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Ténor
Mivavaha ianao ka aza mety
sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Ny Ray, fa ny Ray Tsitoha
hihaino anao, hihaino fatratra anao izay maharitra
Ny vavakao(2), sy ny talaho, miloatra avy ao am-po fa fefika
manjo
Ny vavaka atao mandrakariva, na dia efa iva ny hery ny
herinao
Ny vavaka no hamaliana anao ,ka
hody(2) rariny ihany ny talaho, hody(3) rariny ihany ny talaho
Mivavaha ianao ka aza mety
sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Basse
Mivavaha ianao ka aza mety
sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Ny Ray, fa ny Ray Tsitoha
hihaino anao, hihaino fatratra anao izay maharitra
Ny vavakao(3), sy ny talaho, miloatra avy ao am-po fa fefika manjo
Ny vavaka atao mandrakariva, na dia efa iva ny herinao
No hamaliana anao, ka hody’2)
rariny ihany ny talaho, hody(3) rariny ihany ny talaho
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry
nofidian’Andriamanitra
Libellés :
Audio,
Evangélique,
Malagasy,
Ny Feo Mamantonalina,
Parole
vendredi 21 septembre 2012
Tian'i Jesoa ianao (Groupe Laurent Rakotomamonjy.GLR)
Aoka aloha fa aza mbola manapaka hevitra
Raha mbola afaka mieritreritra
Aza entim-po ka mirintondrintona toy izao
Fantaro fa tian'i Jesoa ianao!
Aoka aloha fa aza mbola manapaka hevitra
Raha mbola afaka mieritreritra
Aza entim-po ka mirintondrintona toy izao
Fantaro fa tian'i Jesoa ianao!
Tsy azo itokiana anie ny harena eto an-tany
Toy ny zavona sy aloka ihany
Sao tsy mahasoa matoa ny harena tsy anananao
Fa hoy aho hoe: Tian'i Jesoa ianao
Fantaro anie fa tsy ny harena ihany
No mahasambatra eto ambonin'ny tany
Androany ianao manana dix mille Euro
Rahampitso izay dia mety ho lasa zéro
Fa ny tsara sy soa, sady harembe tokoa
Omen'ny Ray Tsitoha ho anao sy ho ahy
Dia ny fiainana mandrakizay
Aleo ianao amin'izao fa tsy maninona
Na dia tsy manana fiara limozinina
Tsy hainao akory ny mitazona volant
Ngah io mandeha raha tsy misy carburant
Aza dia miady fo amin'ny tsy mahasoa
Sy izay mety ho lo
F'aleo amin'izay mitady ilay ma...mandrakizay
Aoka aloha fa aza mbola manapaka hevitra
Raha mbola afaka mieritreritra
Aza entim-po ka mirintondrintona toy izao
Fantaro fa tian'i Jesoa ianao!
Tsy azo itokiana anie ny harena eto an-tany
Toy ny zavona sy aloka ihany
Sao tsy mahasoa matoa ny harena tsy anananao
Fa hoy aho hoe: Tian'i Jesoa ianao
Aza tomany raha tsy mba manao vacances
Eto an-tanàna eto anie misy ambiansa
Satria tsy mora fa amina-million
Ny vola ilaina sy ny billet d'avion
Fa any aoriana any hiala sasatra ihany
Ka tsy hitomany
Any amin'ny Rain'ny fiainana mandrakizay
Mafy aminao zany hoe tsy mihinan-kena
Fa rehefa fety ihany ianao vao mba miantsena
Mifalia ianao f'aza be fitetika
Mahavoa ny goty io raha hohanina matetika
Tsy ny mofo ihany moa na ny hanim-pitoloha
Fa ny Baiboly koa
Lay Tenin'ny Ray no hivelomana mandrakizay
Libellés :
Audio,
Evangélique,
Groupe Laurent Rakotomamonjy,
Malagasy,
Parole
Inscription à :
Articles (Atom)