Namana/Amis/Friends

vendredi 28 septembre 2012

Mivavaha (Ny Feo Mamantonalina)

Ialana tsiny, tompoko, nohon'ny faharatsian'ny horonam-peo ary maniry izahay mba tsy hanimba ny fankafizanao ny hakanton'ny hira izany. Mille excuses pour la qualité du son, veuillez tout de même apprécier la beauté de la chanson.

Cliquez ici pour voir la partition en solfa de ce morceau. 



Soprano
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry olon’Andriamanitra
Fa ny Ray Tsitoha hihaino anao, hihaino fatratra izay maharitra
Ny vavakao(2), taraina sy talaho, miloatra avy ao am-po fa fefika manjo
Ny vavakao taraina atao mandra-maraina, atao mandrakariva
Na dia efa iva ny herinao, ny vavaka no hamaliana anao
Hody rariny ihany ny talaho(2)
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry olon’Andriamanitra
Alto
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Fa ny Ray Tsitoha hihaino anao, hihaino fatratra anao izay maharitra
Ny vavakao(2), taraina sy talaho, miloatra avy ao am-po fa fefika manjo
Ny vavakao taraina atao mandra-maraina, atao mandrakariva
Na dia efa iva ny hery ny herinao, ny vavaka no hamaliana anao
Ka hody(2) rariny ihany ny talaho, hody(3) rariny ihany ny talaho
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Ténor
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Ny Ray, fa ny Ray Tsitoha hihaino anao, hihaino fatratra anao izay maharitra
Ny vavakao(2), sy  ny talaho, miloatra avy ao am-po fa fefika manjo
Ny vavaka atao  mandrakariva, na dia efa iva ny hery ny herinao
Ny vavaka no hamaliana anao ,ka hody(2) rariny ihany ny talaho, hody(3) rariny ihany ny talaho
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Basse
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry nofidian’Andriamanitra
Ny Ray, fa ny Ray Tsitoha hihaino anao, hihaino fatratra anao izay maharitra
Ny vavakao(3), sy  ny talaho, miloatra avy ao am-po fa fefika manjo
Ny vavaka atao  mandrakariva, na dia efa iva ny herinao
No hamaliana anao, ka hody’2) rariny ihany ny talaho, hody(3) rariny ihany ny talaho
Mivavaha ianao ka aza mety sasatra ry nofidian’Andriamanitra

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...