Namana/Amis/Friends

vendredi 21 septembre 2012

Tian'i Jesoa ianao (Groupe Laurent Rakotomamonjy.GLR)


Aoka aloha fa aza mbola manapaka hevitra
Raha mbola afaka mieritreritra
Aza entim-po ka mirintondrintona toy izao
Fantaro fa tian'i Jesoa ianao!


Aoka aloha fa aza mbola manapaka hevitra
Raha mbola afaka mieritreritra
Aza entim-po ka mirintondrintona toy izao
Fantaro fa tian'i Jesoa ianao!

Tsy azo itokiana anie ny harena eto an-tany
Toy ny zavona sy aloka ihany
Sao tsy mahasoa matoa ny harena tsy anananao
Fa hoy aho hoe: Tian'i Jesoa ianao

Fantaro anie fa tsy ny harena ihany
No mahasambatra eto ambonin'ny tany
Androany ianao manana dix mille Euro
Rahampitso izay dia mety ho lasa zéro
Fa ny tsara sy soa, sady harembe tokoa
Omen'ny Ray Tsitoha ho anao sy ho ahy
Dia ny fiainana mandrakizay

Aleo ianao amin'izao fa tsy maninona
Na dia tsy manana fiara limozinina
Tsy hainao akory ny mitazona volant
Ngah io mandeha raha tsy misy carburant
Aza dia miady fo amin'ny tsy mahasoa
Sy izay mety ho lo
F'aleo amin'izay mitady ilay ma...mandrakizay


Aoka aloha fa aza mbola manapaka hevitra
Raha mbola afaka mieritreritra
Aza entim-po ka mirintondrintona toy izao
Fantaro fa tian'i Jesoa ianao!

Tsy azo itokiana anie ny harena eto an-tany
Toy ny zavona sy aloka ihany
Sao tsy mahasoa matoa ny harena tsy anananao
Fa hoy aho hoe: Tian'i Jesoa ianao

Aza tomany raha tsy mba manao vacances
Eto an-tanàna eto anie misy ambiansa
Satria tsy mora fa amina-million
Ny vola ilaina sy ny billet d'avion
Fa any aoriana any hiala sasatra ihany
Ka tsy hitomany
Any amin'ny Rain'ny fiainana mandrakizay

Mafy aminao zany hoe tsy mihinan-kena
Fa rehefa fety ihany ianao vao mba miantsena
Mifalia ianao f'aza be fitetika
Mahavoa ny goty io raha hohanina matetika
 Tsy ny mofo ihany moa na ny hanim-pitoloha
Fa ny Baiboly koa
Lay Tenin'ny Ray no hivelomana mandrakizay


1 commentaire:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...