Namana/Amis/Friends

jeudi 4 octobre 2012

FF 19 - Raha Jehovah no Mpiandry

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (11-20).

1. Raha Jehovah no Mpiandry
Tsy mba hisy mampahory
Ahi-maitso no handriana
Ny fanahy velombelona
Eny, tsy hanahy akory
Lala-marina itondrany
Lalan-tsambatra
(Sambatra ifaliana)

Fiv : Raha Jehovah no Mpiandry
(Tsy mba hisy)
Tsy mba misy 'zay mampahory
Ahi-maitso no handriako
(Ranon'aina hosotroiko)
Ranon'aina hosotroiko
Ny fanahiko hovelominy
(Miasa izy)
Miasa lzy tsy mba matory
Lala-marina itondrany
Tsy ho foiko

2. Ny aloky ny fasana aza
Tsy ho tazantsika intsony
Tsy hatahotra ny loza aho
(Izy no mihazona ahy)
Tsorakazo nitondrany
Sy ny tehiny any ambony
No manolotra ny toky
Ny fanahiko
(Toky ny fanahiko)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns...

3. Eo imasom-pahavalo
Ny latabatro velariny
Diloilo feno hanitra
(Efa namontosany ahy)
Safononoka tantely
Ny kapoakako namboariny
Fahasoavana no sise
Afaka ahiahy
(Afaka ahiahy)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns...

4. Ao an-tranonao ry Tompo
No iriko hialofana
Ka tsy afa-miditra any
(Ny hetraketraky ny tany)
Raha ny fonao feno antra
No ho lamba hirakofana
Ary ny androm-pifaliana
Tsy ho lany
(Tsy ho lany)
Raha Jehovah no Mpiandry, sns...

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...