Namana/Amis/Friends

mardi 7 juillet 2015

FF 41 – Jesoa no Mpanavotra

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

O! iza, iza?
Iza no hamonjy ahy
Iza, iza no hamonjy ahy re ?
 Fa rerak’aho e
Fa dia reraka
Milonjy entam-pahotana
Fahotana be

O! manatona, manatona an’i Jesoa
Fa Izy ihany, Izy no hamonjy anao
Fa noreseny, efa noreseny na
Ny fasan’aza dia ny fahafatesana !
Ny fasan’aza ! Efa noreseny izao
Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao
Ka mba mifalia ! mifalia ianao
Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anao

 Ry Jesoa Tompo ô !
Ry Jesosy Tompo ô !
Mba raiso re ny foko
Ho anao izao !
Fa famonjena
Fanavotan-dehibe
Sy avotr’aina koa
No he atolotrao

Fa novonoina ! novonoina Ianao
Hisolo voina mba hisolo voina anay
Fa noresenao Efa noresenao na Ny fasan’aza dia Ny fahafatesana Ny fasan’aza ! Efa noreseny izao Ny fahafatesana ‘lay fahavalonao Ka mifaly re ! Ka mifaly izahay Fa Jesoa Tompo no Mpanavotra anay !

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...