Namana/Amis/Friends

mardi 7 juillet 2015

FF 44 – Ry Madagasikara soa

Cliquez ici pour voir d'autres chants du fihirana fanampiny (41-54).

1. Ry Madagasikara soa
Natolo-Janahary anay
Nosimboahangy manirery
Fa nahasoa ny razanay,
He ! Sarobidy tsara loatra,
Tsy sandana, tsy atakalo
Feno ny fo ka toa mangina
Heriny mivavaka hoe :

 Fiv : Andriamanitra ô ! Tondrahy andon’ny lanitra
 Vontosy ny tsiron’ny tany I Madagasikara !

 2. Ry Firenena Malagasy
Antsoin’ny Nosy hianao
Andeha malaky, mitsangàna
Alao hery, mandrosoa !
‘Zay maha olona anao re
Atolory, asorony Aza mandevina talenta
Fa anondroty Firenena e !

Andriamanitra ô ! sns…

 3. Andriamanitra ambony,
Fenoy ny fiahianao
Ny mponina rehetra eto Ary izay asa mahasoa
Ireo nantsoinao hitondra
Mba tsidiho, mba tariho
Ho sambatra tokoa ny Nosy
Raha Hianao no azy e !

 Andriamanitra ô ! sns…

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...