Namana/Amis/Friends

mardi 26 mars 2013

Andriamanitra Fitiavana Solfa (Henri Ratsimbazafy)



Andriamanitra ô Fitiavana
Ianao no he nampiray
Ary koa nampihavana ireto havan-tianay
Ary koa nampihavana ireto havan-tianay

Nefa ny fiainana tsy mora
Sarotra koa 'zany dia
Koa ampio ireo tanora mba haharitra ho doria
Koa ampio ireo tanora mba haharitra ho doria

Raha sendra fifaliana aza avela ho variana
Raha tojo fahoriana tsy ho diso fanampiana.
Tahio e ! Tahio Zanahary na finaritra ireo na marary,
Arovy ireo hatrany hatrany fa malama anie ny tany ô!
Arovy ireo hatrany hatrany fa malama anie ny tany.

 Raha sendra ka mivena fa hoe resim-pahalemena
Dia omeo fahendrena mba hahay hanarin-tena

Tahio e ! Tahio Zanahary na finaritra ireo na marary,
Arovy ireo hatrany hatrany fa malama anie ny tany ô!
Arovy ireo hatrany hatrany fa malama anie ny tany.

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

jeudi 21 mars 2013

Ny holatrao Solfa(Ny Feo mamantonalina)




1. Isaoranay eram-po sy eran-tsaina koa
Ry Tompo Zanaharinay Tsitoha
Ny nanoloranao ny tenanao ho anay
Ny ranao soa nitete no nanadio anay

Ref: Ny holatrao 'zay nangidy taminao Jesoa
zay kofehy nampamatotra anay Aminao
Ny fanavotanao anay no lovasoa ho anay
Ry Jesoa ô, misaotra Anao zahay

2. Nangorohoro mafy re ny fonao Jesoa tia
Nanjary toy ny ra ny tsembokao
Nasehonao ny indrafo zay tena lehibe
Kapoaka no nosotroinao tao Getsemane

3. Voasatro-tsilo tokoa ny lohanao Jesoa
Voakapoka sy nolatsaina koa
Ny endrikao voaratra naharary Anao
Lay fonao tia hany sisa novelominao

Solo alto: Ny holatra nangidy taminao ry Jesoa ô
kofehy nampamatotra anay Aminao
Ny fanavotanao anay no lovasoa ho anay Jesoa
Misaotra Anao zahay

Vous pouvez télécharger gratuitement la partition en solfa ci-dessous.

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...