Namana/Amis/Friends

mardi 26 mars 2013

Andriamanitra Fitiavana Solfa (Henri Ratsimbazafy)



Andriamanitra ô Fitiavana
Ianao no he nampiray
Ary koa nampihavana ireto havan-tianay
Ary koa nampihavana ireto havan-tianay

Nefa ny fiainana tsy mora
Sarotra koa 'zany dia
Koa ampio ireo tanora mba haharitra ho doria
Koa ampio ireo tanora mba haharitra ho doria

Raha sendra fifaliana aza avela ho variana
Raha tojo fahoriana tsy ho diso fanampiana.
Tahio e ! Tahio Zanahary na finaritra ireo na marary,
Arovy ireo hatrany hatrany fa malama anie ny tany ô!
Arovy ireo hatrany hatrany fa malama anie ny tany.

 Raha sendra ka mivena fa hoe resim-pahalemena
Dia omeo fahendrena mba hahay hanarin-tena

Tahio e ! Tahio Zanahary na finaritra ireo na marary,
Arovy ireo hatrany hatrany fa malama anie ny tany ô!
Arovy ireo hatrany hatrany fa malama anie ny tany.

Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...