Namana/Amis/Friends

lundi 28 avril 2014

Ny antony hirako (Joseph d'Af)

Cliquez ici pour voir d'autres chants de Joseph d'Af.

"...Andriamanitry ny fahatsarana, hihira ho Anao aho..."
 Feno Anao ny vavako
Mipololotra avy ao am-po
Ny Anaranao no asandratro
Hihira aho, ny herinao
No hanosotra ahy hitory Anao
Hitondra avo ny Anaranao

Haleloia, Tsara Ianao
Haleloia, Tsara Ianao

Ny anton'ny hirako, sy fahavelomako
Dia Ianao r'Ilay mandrakizay
Ny anton'ny ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia Ianao, Ianao tokoa
Ny anton'ny hirako, sy fahavelomako
Dia Ianao r'Ilay mandrakizay
Ny anton'ny ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia Ianao, ho Anao tokoa

Andry iankinan'ny foko
Vetson'ny fanahiko
Ny Anaranao mamelona ahy
Ny fahagagana vitanao
Ny zava-drehetra hainao atao
Tsy haiko ny tsy hihira ho Anao

Haleloia, mendrika
Haleloia, mendrika

Ny anton'ny hirako, ny fahavelomako
Dia ho Anao r'Ilay mandrakizay
Ny anton'ny ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia ho Anao, ho Anao tokoa
Ny anton'ny hihirako, ny fahavelomako
Dia ho Anao r'Ilay mandrakizay
Ny anton'ny ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia ho Anao, ho Anao tokoa

Ny anton'ny ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia ho Anao, ho Anao tokoa
Ny anton'ny ivelomako sy ny anton'ny hirako
Dia ho Anao, ho Anao tokoa

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...