Namana/Amis/Friends

mercredi 30 avril 2014

Fony aho (Lalao)

Cliquer ici pour écouter la version audio de ce morceau
Fony aho tsy nahalala Anao Jesoa
Dia nirenireny foana teny aho
Ireo ditra sy lalao nameno fo
Zay namatotra ahy, nangeja mafy koa

Kanefa tampoka dia indro Ianao Jesoa
Nisintona ahy
Nivaha avokoa ireo fatorako ireo
Satria teo Ianao

Raha nandroso aho nanara-dia Anao
Dia naneso ireo sakaizako taloha
Raha nitraka aho nibanjina Anao
Dia nanenjika ahy ireo fanavaloko

Ankehitriny tsy matahotra aho Jesoa
Fa eo Ianao
Ankehitriny koa mbola indro aho Jesoa
Mba ho Anao

Raha ho avy eny an-danitra eny Ianao
Ka hotronin'ny anjely marobe
Izaho kosa ho vonona hitsena Anao
Ka ho sambatra aho miaraka Aminao

Jesosy, Ianao irery no azo antoka
Hamonjy ahy
Tsy andriko intsony ny ho tonga ary
Fa handray ahy Ianao

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...