Namana/Amis/Friends

mercredi 30 avril 2014

Tompo ô (Lalao)

Cliquer ici pour écouter la version audio de ce morceau
Tompo ô !
Mba henoinao ity mpanomponao
Fa mitalaho
Koa avelao ireo ota natao !
Tsy mendrika hanonona ny Anaranao aho
Fa fo maloto ny ao anatiko ao !
Ireo ota nandrarànao niniako natao
Toa tsy sahy aho hilaza Aminao!

Fantatro ihany anefa  fa be fitiavana Ianao
Mamela ireo zay mifona Aminao !
Misaotra anao aho fa fantatro, fa tia ahy ianao
Ho voavela ireo ota natao !

Nandany ny andro tamin'ny rendrarendra aho
Ka nanadino ny anatra natao
Nanitsakitsaka ireo fanekena
Sy nandika ireo didinao !

Tsapako ankehitriny fa raha lavitra Anao
Dia tsy haiko ny hanao sitraponao !
Ireo hadisoako rehetra Jesosy ô , raha sitrakao
Ho voavela ireo ota natao !

Jesoa ô,
Ny fivavako henoinao
Fa mitalaho,
Fa maniry aho hanaraka Anao !
Fa tiako ny hanana fiainana vaovao
Dia fiainana miaraka Aminao
Ho sambatra finaritra eo anilanao !
Mino aho ,fa mihaino ahy Ianao

Ireo fikasako rehetra apetrako eo Aminao
Tsy hisy fanahiana ao anatiko ao !
Tazony mafy ny tanako Tompo mba tsy handao
Fa maniry aho hanaraka Anao !

Mangataka ny herin'ny Fanahinao aho
Ho sahy hijoro ho vavolombelonao
Hisedra koa ny herin'ny fakam-panahy !
Eo Aminao tsy manana ahiahy

Na inon'inona hihatra eo amin'ny fiainako
Tsy asiako tahotra ny alehako !
Koa raiso aho Jesoa tia, fihino eo an-tratranao !
Fa maniry aho hanaraka anao
Maniry aho hanaraka anao
Fa maniry aho hanaraka anao

1 commentaire:

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...