Namana/Amis/Friends

jeudi 6 février 2014

Jeso Mpanjaka malaza Solfa (Fihirana Advantista 25, Fihirana FFPM 171)

1. Jeso, Mpanjaka malaza,
No Tompo Mpanjakanay;
Mahery sy tsara indrindra,
Ka Izy no aronay.
Mendrika hankalazaina
Noho ny heriny;
Eran-tany sy lanitra koa
Ny zo aman-dazany.

 Fiv : Ry Tompo Mpanjaka mahery ô !
Mihainoa ! Mihainoa !
Avy manaiky tokoa ‘zahay
Fa Tompon’ny hery rehetra Hianao,
Tsy misy mihitsy ny toa Anao,
Tsy tratry ny saina ny herinao;
Ny fiderana ‘zay entinay,
Raiso re !
Ny haja atolotra Anao ety,
Raiso izao !

 2. Tompo, Mpandahatra hendry,
Mpanao izao rehetra izao
Ny zara sy tendry ataony
Dia tsara sy mahasoa;
Mendrika ny hoderaina
Ny fandaharany;
Atolory ho Azy ny saotra,
Fa izy tadrinfin’io :
Ry Tompo Mpanjaka mahery ô ! sns…

 3. Tompo, Mpanjaka Tsitoha,
Kanefa be indrafo;
Deraina eram-po erantsaina,
Deraina mandrakizay ;
He ! Ny mpanompo voavonjy
Samy mihoby hoe :
“Haleloia ho amin’ny Avo,
Fa Jeso no Tomponay ”
Ry Tompo Mpanjaka mahery ô ! sns…

 Télécharger gratuitement ci-dessous la partition en solfa de ce morceau.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...