Namana/Amis/Friends

vendredi 11 novembre 2011

Inona no hahasaraka ahy 486(Hobio1)

Cliquez ici pour voir d'autres chants du Hobio1(Fihirana FFPM)


 (Il se peut que certains vers ne soient pas chantés)
Ph.Razafindraraoty

1. Inona no hahasaraka ahy
Amin' ny fitiavanao, Jeso?
Fahoriana ve, sa ahiahy?
Fahantrana, sa famoizampo ?

Fiv : Tsia, ry Jeso Tompo be fitia,
Izaho tsy mivadika Aminao
Fa mandrakizay doria
Izaho dia hanaraka Anao.

2. Inona no hahasaraka ahy
Amin' ny fitiavanao, Jeso ?
Zo sy laza sy fakampanahy?
Sa harena, zava-mora lo?
Tsia, ry Jeso, sns...

3. Inona no hahasaraka ahy
Amin' ny fitiavanao, Jeso?
Sabatra, sa fanenjehamafy?
Sa mosary, ady be manjo?
Tsia, ry Jeso, sns...

4. Inona no hahasaraka ahy
Amin' ny fitiavanao, Jeso?
Faty ve no hampivadika ahy,
Loza, hery, fahefana koa?
Tsia, ry Jeso, sns...

5. Eny, izao rehetra izao, ry Tompo,
Tsy mba hahasaraka Aminao!
Na inona hanjo ity mpanompo,
Dia hijoro, tsy handao Anao!
Velona aho, Tompo, eny maty,
Dia tsy mivadika Aminao!
Hianao no velona ao anaty,
Ka doria, ny foko ho Anao!

Cliquez ici pour voir tous les paroles du cantique protestant malgache(fihirana FFPM).

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...