Namana/Amis/Friends

lundi 27 mai 2013

Vavaka (Vintsy)


Ray o! Mpamindra fo ianao
 Mpamela heloka
 Mba raiso re ny vavako
 Miangavy sy mba mitalaho
Ovay re ny foko
 Hazahoako hanompo anao

 Fa maro ireo fakampanahy
 Ka mila anao hiahy
 Mba tsy ho solafaka
 Ary raha sendra fahavalo
 Ny tananao no hiaro
 Ity mpanomponao

 Ray o! ’Reo ory sy onena
’Reo kivin’ny adimpiainana
 Mba omeo hery koa
 Reo ’zay mimaritraa ny mafy
 MItaky fitoviana
Mba omeo ny anjarany

F'Ianao no hany andrandraina
 Sy antoky ny aina
 Hitsinjo anay ety
 Ka aoka, aoka ianao no hamily
 Ny dian’ireo mpivily
 ’Reo ondry izay nania

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Related Posts Plugin for WordPress, Blogger...